samedi 27 avril 2024

Archives quotidiennes: 13 juin 2019

OMIT Toliara : nahitana fanodikodinam-bola mitentina iray miliara Ariary

0
Vokatry ny fanadihadiana nataon’ny BIANCO momba ny fanodikidinana vola mitentina iray miliara Ariary tao amin’ny OMIT (Organisation Médicale Inter-entreprise de Toliara) dia olona miisa 4, izay samy tomponandraikitra ao amin’ny OMIT no nahiditra am-ponja vonjimaika.

Vidin-tsolika : mitohy ny fitadiavana vahaolana

0
Eo amin’ny lafiny toekarena, na sady tsy niakatra no tsy nidina ny vidin-tsolika hatreto, nanamafy ny minisitry ny toekarena sy ny fitantanam-bola fa mitohy ny fitadiavana vahaolana amin’izany. Nilaza ity farany fa hivoaka ato ho ato ny didim-panjakana momban’ny fitohizan’ny fifanarahana sy ny fomba rehetra ampidinana ny vidin-tsolika.

Filohan’ny Repoblikan’i Madagasikara : «  tohanako ny asan’ny OIT »

0
Nanatrika ny andiany faha 108 ny fivoriam-be iraisam-pirenena ny asa sy ny faha 100 taonan’ny fikambanana iraisam-pirenena momban’ny asa tany Genève ny filohan’ny repoblikan’I Madagasikara. Ho fintinina aminao ato anatin’ny fanadihadiana ny ampahany tamin’ny fandraisam-pitenenana nataony.

Fandrefesan-tany : hampiasana fitaovana ari-fomba

0
Tsy maintsy hirosoana ny fampiasana fitaovana ari-fomba momba ny fandrefesan-tany eto Madagasikara. Io no nisongadina nandritra ny fanokafana tamin’ny fomba ofisialy ny herinandron’ny fandrefesan-tany. Nanamafy ny maha zavadehibe izany ao anatin’ny fametrahana ny vinan’ny fitondram-panjakana ny minisitry ny fanajariana ny tany, ny toeram-ponenana sy ny asa vaventy.