samedi 27 avril 2024

Archives quotidiennes: 14 juin 2019

CAREA : feno 60 taona

0
Isan'ireo rafitra iray manampy ny fitsarana amin'ny famoahana didy ny CAREA na ny vondron'ny mpahay ankatoavin'ny fitsarana eto Madagasikara izay ivondronan'ireo mpahay eo anivon'ny sehatra maro samihafa. Feno 60 taona ny CAREA amin’izao fotoana, na izany aza mbola maro ireo ezaka mila hatsaraina.

Tsenan’ny fifanakalozana ara-bola : hisy “code des changes “ vaovao

0
Eo amin’ny sehatra ara-toekarena, mikasika ny tsenan’ny fifanakalozana ara-bola, tsy hisy intsony ny fanatsarana ny lalàna mifehy izany raha ny nambaran’ ny avy eo anivon’ny banky foiben’i Madagasikara. Hisy kosa ny code des changes vaovao mialohan’ny faran’ity taona 2019 ity. Na tiana na tsy tiana, raha ny fanazavan’ny mpahay toekarena iray, hisy fiantraikany eo amin’ny toekaren’i Madagasikara izany.

Fanamboaran-dalàna eto an-drenivohitra : maharitra 10 volana ny asa

0
Mitohy ny fanamboarana ny lalana ataon’ny ministeran’ny fanajariana ny tany sy ny toeram-ponenana ary ny asa vaventy eto an-drenivohitra. Faritra manodidina ny 30 indray ankehitriny no mahazo tombony ao anatin’ny tetikasa « Rue de Tana » izay nihatomboka omaly. Maharitra 10 volana ny fanamboarana ka « Marché à commande » no hanomezana ny antoka ho an’ireo orinasa.

Disadisa tany Vohémar : nametraka fitoriana androany ny Lehiben’ny Distrika any an-toerana

0
Taorian’ny disadisa nitranga teo amin’ny Lehiben’ny Distrikan’i Vohémar sy kandidà Solombavambahoaka vitsivitsy tao amin’ny Kaominina Ampanefena, Distrikan’i Vohémar ny andron’ny Alahady faha-26 may lasa teo, nametraka fitoriana ireo kandidà solombavambahoaka ireo eny amin’ny fitsarana ny Lehiben’ny Distrikan’i Vohémar.