vendredi 26 avril 2024

Archives quotidiennes: 18 juin 2019

Tsy fizarana “Permis minier” : misy fiatraikany amin’ny fidiram-bolam-panjakana

0
Miteraka fahabangana lehibe eo amin'ny fidiram-bolam-panjakana ny tsy fitsanganan'ny filaken-vim-pitantanana eo anivon'ny Bureau du Cadastre Minier de Madagascar. Hatreto, mikatso avokoa ny fanomezana fahazahoan-dalana hitrandraka na ny fanomezana ny permis minier.

Herinaratra : miroso amin’ny fanatsarana ny mpitondra

0
Miroso amin'ny fanatsarana hahafahan'ny vahoaka Malagasy misitraka sy mampiasa angovo azo havaozina ny mpitondra fanjakana. Eo am-piandrasana izany, tsy maintsy hijerena vahaolana ny vidin-jiro sy ny vidin-tsolika hoy ny filohan'ny Repoblika, Andry RAJOELINA.

Fanamboaran-dalana : mitohy ny asa

0
Hanomboka rahampitso ny asa fanamboarana ny lalana eo amin'ny sampanana Andranonahoatra. Efa nisy ny fandaminana napetraka amin'ireo tompon'ny trano sy tompon'ny tany voakasiky ny tetikasa araka ny nambaran'ny tomponandraikitra teo anivon'ny minisiteran'ny fanajariana ny tany sy ny toeram-ponenana ary ny asa vaventy, taorian'ny fitsidihana natao teny an-toerana androany .

Loharanon’angovo hafa  : azo trandrahana tsara ny rano

0
Mitohy ny fitadiavam-bahaolana momba ny fampiasana ny loharanon’angovo azo havaozina eto Madagasikara. Orinasa mpamokatra herinaratra avy amin’ireo nosy 4 aty amin’ny Ranomasimbe Indianina no nikaon-doha tamin’ny JIRAMA. Tokony hojerena manokana ny fahafahana mitrandraka ny rano ho an’i Madagasikarana raha ny fanazavana.