vendredi 26 avril 2024

Archives quotidiennes: 19 juin 2019

Vidin-tsolika : mitohy ny fifampidinihina

0
Nanomboka omaly tolakandro teny @ Lapan'Ambohitsirohitra ny fifampidinihina eo amin'ny Filohan'ny Repoblika Rajoelina Andry sy ireo mpndraharaha misehatra @ solika eto amintsika. Noporofoin'ny Filohan'ny Repoblika fa mitana ny teny nomeny izy ary mitsinjo ny vahoakany.

Vidin-tsolika : mamaritra ny vidim-piainana amin’ny ankapobeny

0
Ny fampidinana ny vidin-tsolika ho mifanaraka amin'ny tokony ho izy no andrasan'ny olontsotra manoloana ny fifanantonan'ny Filohan'ny Repoblikan'i Madagasikara sy ireo mpamatsy solika araka ny fanehoan-kevitry ny olompirenena. Miatraika mivantana amin'ny vidim-piainana an-davanandro izay fepetra horaisina eo hoy kosa ny mpahay toekarena nanontaniana.

Fampidiran’entana ataon’ny mpiasam-panjakana : hampandoavina hetra manomboka ny 1 jolay izao

0
Tsy maintsy hampandoavina hetra avokoa manomboka ny voalohan'ny volana jolay izao ireo mpiasam-panjakana hampiditra entana avy any ivelany eto Madagasikara, araka ny fepetra noraisin'ny fitondram-panjakana. Ity farany izay tafiditra amin'ny fametrakana ny fanjakana tan-dalàna.

Fankalazana ny fetim- pirenena 2019 : afaka mivarotra tsipoapoaka ny rehetra

0
Nomen'ny fitondrana fahafahana mivarotra tsipoapoaka ny rehetra ao anatin' izao fotoam- pankalazana ny fetim- pirenena 2019 izao. Voafetra ihany anefa ny toerana ahafahana manapoaka izany ho an'ny tsirairay raha ny fampitam- baovao izay navoaky ny minisiteran'ny fiarovam- pirenena androany.