vendredi 26 avril 2024

Archives quotidiennes: 20 juin 2019

Air Madagascar : niverina ny zotra Tanà – Johannesburg

0
Niverina ny zotra mampitohy an’Antananarivo – Johannesburg, Johannesburg – Antananarivo. Ny Alatsinainy 17 Jona teo no nanantanteraka ny sidina voalohany tany an-toerana ho amin’ity taona ity ny kaompania nasionaly Air Madagascar.

Masoivoho Frantsay : nanambara fa mizotra any amin’ny fampandrosoana i Madagasikara

0
Mizotra ho amin'ny fampandrosoana i Madagasikara ankehitriny hoy ny masoivoho Frantsay androany, nandritry ny valan- dresaka ho an'ny mpanao gazety mikasika ny tatitry ny zava- bita nandritry ny 4taona niasany teto an- toerana. Na izany aza, mbola betsaka ny asa miandry raha ny nambarany.

Vidin-tsolika : naharitra 3 andro ny fifampidinihina

0
3 andro katroka androany ny fifampidinihina teo amin’ny Filohan’ny Repoblika Malagasy RAJOELINA Andry sy ireo mpandraharaha solika eto amintsika. Dinika izay nanehoan’ny mpitondra Malagasy fa azo hatao tsara ny mampihena ny vidin’ny solika eto Madagasikara sy ireo mpandraharaha miaro ny tombotsoany amin’ny maha-mpandraharaha azy ireo. Mbola mitohy ny dinika amin’izao ora hanolorana anao ny vaovao izao.

Ambatonakanga : tapaka ny lalana noho ny fanamboarana

0
Nanomboka omaly ny fanamboarana ny ampahan-dalana eo Ambatonakanga, ary ho tratrarina mialohan'ny fankalazana ny fetin'ny fahaleovantena ny asa araka ny nambaran'ny teo anivon'ny minisiteran'ny fanajariana ny tany, ny toeram-ponenana sy ny asa vaventy androany. Ho tapaka ato anatin'ny herinandro vitsy noho izany ny lalana eny an-toerana.