vendredi 26 avril 2024

Archives quotidiennes: 24 juin 2019

EDITO du 22 juin 2019

0
Maro ireo mifanontany mahita ny sarin’ny Filohan’i Rwanda Paul Kagame mirenty eny an-dalambe, indrindra ireo tanora amin’izao ankatoky ny fety izao hoe : « Iza io rangahy manao solomaso kely io ? » Mahagaga fa na dia eo aza ny firoboroboan’ny tambanjotran-tserasera kirakirain’ny Malagasy, vitsy no mahalala ity Filohan’i Rwanda ity.

Fanamboaran-dàlana Androndra sy sampanana Andranonahoatra : miroso ny asa

0
Araka ny efa notanterina teto amin'ny fampalalam-baovao, ary tafiditra anatin'ny fanamboaran-dalana eto Andrenivohitra, ho tapahana anatin'ny fotoana fohy ny lalana eo amin'ny sampanana Andranonahoatra. Amin'izao fotoana izao, efa miroso ny fanatsarana ny sisin-dalana ireo manao ny fanamboarana

Filohan’ny Repoblika : nitsidika ny kermesin’ny foloalindahy

0
Tonga nitsidika ny kermesin'ny foloalindahy teny Betongolo ny filohan'ny repoblikan'ny Madagasikara androany. Nambarany fa tsy ho foana intsony ny tahak' izao ary hoatsaraina hatrany.

Slalom – 2019 : hotanterahana ny faha-29 sy 30 jona izao

0
Hotanterahana eny BEVALALA ny faha-29 sy 30 ny volana jona izao ny andiany faha-3 ny SLALOM iarahana amin’ny CLUB MSA na ny Club Mada Sport Auto. Tafiditra ao anatin’ny 4ème manche ny fiadiana ny tompondakan’i Madagasikara ny taona 2019 izany, hoy ny mpikarakara.

« Loi sur le recouvrement des avoirs illicites » : ho laniana tsy ho ela

0
Tsy maintsy miroso amin'ny fandaniana ny "lalàna momba ny fanagiazana ireo fananana azo tamin’ny fomba tsy ara-dalàna" na ny Loi sur le recouvrement des avoirs illicites ny fitondram-panjakana. Ny fametrahana tany tan-dalàna, lavitry ny kolikoly no tanjona.

Vehivavy Malagasy Miara-Miainga : nanatanteraka didim-poitra faobe

0
Notanterahina androany teny amin'ny centre de santé MAMINDRA Ankadindratombo ny andiany faharoa amin'ny didipoitra faobe nokarakarain'ny fikambanan'ny Vehivavy Malagasy Miara-Miainga. Hetsika fanao isan-taona izay tafiditra indrindra ao anaty fankalazana ny fetim-pirenena.

Solontenam-panjakana sy vadina minisitra : nanampy ny sembana sy marary

0
Mitohy ny fanohanana sy fanampiana ataon’ny vadin’ny mpikambana eo anivon’ny governemanta tarihin’ny vadin’ny Praiminisitra ireo sokajin’olona marefo eny anivon’ny fiarahamonina. Ireo zaza manana fahasembanana teny anivon’ny Orchidée Blanche sy ireo marary eny Befelatanana androany no nisitraka ny fanomezana.

Antananarivo Renivohitra : nohatevenina ny isan’ny mpitandro filaminana

0
Amin'izao ankatoky ny fetin'ny fahaleovan-tena izao, nohatevenina ny fiambenana sy ny fiarovana ny tanàna na andro na alina. Halina, nisy ny fidinana ifotony nataon'ireo minisitra tomponandraikitra nijery ny fomba fiasa, ny olana mety hitranga sy ny fanatsarana tokony hatao.