Archives quotidiennes: 25 juin 2019

Paosin-drà – CRTS : vitsy ny manome rà

0
Manodidina ny 35 000 kitapon-drà isan-taona no ilaina manerana an’i Madagasikara. Tsy maharaka izany ny ivontoerana misahana ny famindrana rà raraka ny fanadihadiana natao. Ilaina fanamafisana manoloana io ny fanentanana amin’ny fanomezan-drà anatin’ny fanarahana ny fepetra ahazoana rà azo ampiasaina.

Filohan’ny Repoblika : nonolotra fitaovana ho an’ny mpitandrony filaminana

0
Ankoatra ny fampitaovana ny mpiasan’ny fahasalamana, Angidimby miisa 3 miampy fiaramanidina casa iray, fiara tsy mataho-dalana maro isankarazany, ireo no natolotry ny Filohan’ny Repoblika ny tolakandro teo ho an'ireo mpitandro ny filaminana hiadiana @ tsy fandriampahalemana.

Ministeran’ny fahasalamam-bahoaka : nahazo fitaovana vaovao

0
Nanolotra fitaovana ireo mpiasan’ny fahasalamana ny filohan'i Repoblikan'i Madagasikara, fiaraha-miasa teo anivon'ny OMS sy ireo mpiara miombon'antoka hafa amin’ny fitondrana Malagasy, ny maraina teo tetsy amin'ny INSPC Befelatanana.

Vehivavy Malagasy Miara-Miainga : tsy nanadino ny mpiara-belona amin’izao fety izao

0
Fotoanan’ny fanaovana asa soa ny vaninandro fankalazana ny niverenan’ny fahaleovantena toy izao ka tsy nanadino ny mpiara-belona ny fikambanana Vehivavy Malagasy Miara-Miainga. Nanolotra fanomezana ho an'ny ankizy, raiamandreny ary vahoaka sahirana tao amin'ny fokontany Ampahimanga kaominina Ambohimanambola izy ireo tamin'ity androany ity.