vendredi 26 avril 2024

Archives quotidiennes: 26 juin 2019

Emmanuel MACRON sy Donald TRUMP : niarahaba ny Filohan’ny Repoblika sy ny vahoaka Malagasy

0
Nandefa taratasy fiarahabana ho an'ny filohan'ny repoblika sy ny vahoaka Malagasy tsy vakivolo ny filoha Frantsay, Emmanuel MACRON, sy ny Filoha Amerikana Donald Trump amin'izao fankalazana ny faha-59 taona niverenan'ny fahaleovan-tena izao. Nanamafy ny hanamafisana ny fiaraha-miasa eo amin'ny firenena Amerikana sy Frantsay ireto farany, araka ny taratasy nalefan'izy ireo.

MAHTP : nizara fanomezana ho an’ny mpiasa

0
Nozaraina vary , menaka, akoho ny mpiasa rehetra eo anivon'ny minisiteran'ny fanajariana ny tany, ny toeram-ponenana ary ny asa vaventy eto andrenivohitra sy ny tany amin'ny faritra, ary ny ekipan'ny Maki de Madagascar tamin'ity androany ity, manoloana ny fankalazana ny fiverenan'ny fetin'ny fahaleovantena.

Malagasy : tia tanindrazana, tia fandrosoana

0
Ankalazaina amin’ny fomba manetriketrika rahampitso ny faha-59 niverenan’ny fahaleovantenam-pirenena. Malagasy aho, tia ny tanindrazako, tia fandrosoana no lohahevitra nosafidiana manokana hanamarihana izany.

Zandarimariam-pirenena : nahazo fitaovana maro samihafa

0
Nanamafy ny sekreteram-panjakana miadidy ny zandarmaria fa tsy ekena intsony ny fipariahan'ny fitaovam-piadiana maro samihafa, sy ny fitondrantena tsy mendrika ary ny kolikoly misy eo amin'ny zandarmariam-pirenena. Entina hanamafisana ny fanarahamason'ny fitaovam-piadiana arak'izany, hisy ny fananganana komity mpanaramaso.