Archives quotidiennes: 28 juin 2019

Olana Air Mad – Air France : ny 2 Jolay izao ny fotoam-pitsarana manaraka

0
Mikasika ny olana misy eo amin’i Air Madagascar sy Air France. Ny 02 Jolay izao no hanantanterahana ny fotoam-pitsarana faha 4 eo anivon’ny tribonalin’ny varotra any Paris. Vola maherin’ny 50 tapitrisa dolara no takian’I Air France amin’ny Air Madagascar.

Kodiaran-droa voizina : mivadika herinaratra

0
Azo avadika ho herinaratra ny fivoizana kodiaran-droa. Ankoatry ny herinaratra anefa, mitondra vokatsoa ho an’ny fahasalamana ihany koa izany. Hatreto, mijanona ho famoronana fotsiny ihany izany ho an’ireo mpianatra namorona.

Fahadiovan’ny tanàna vita fety : miaina ao anaty loto sy fofona ny vahoaka

0
Fofona maimbo sy fako miparitaka no hita teny amin'ireo toerana nanaovana fety sy fampiratiana nandritran'ny fankalazana ny fetim-pirenena. Mitaraina vokatr'izany ireo vahoaka ary mitaky ny fandraisan'andrakitry ny CUA.

Fifanosehina teny Mahamasina : alina dia efa nitsidika teny ny Filoha

0
Alina taorian’ny valan-dresaka ho an’ny mpanao gazety nataon’ny Filohan’ny Repoblika Malagasy sy ny Filohan’i Rwanda teny amin’ny Lapàn’Iavoloha dia nitsidika ireo niaram-boina tao amin’ny Hopitaly Ravoahangy vokaty ny fifanosehana teny Mahamasina ny Filoha RAJOELINA Andry mivady sy ny Praiminisitra ary mpikambana vitsivitsy ao amin’ny governemanta.

Fifanosehana teny Mahamasina : 16 no maty, 38 mbola manohy ny fitsaboana

0
16 ny maty vokatry ny fifanosehana teny Mahamasina omaly raha ny antontan’isa farany teny anivon’ny HJRA. Raha toa ka 38 no mbola tazonina eny antoerana ankehitriny, misy amin’izy ireo no mbola tsy fantatry ny fianakaviany.

RAJOELINA Andry : Tsara alaina tahaka ny ezaka vitan’i Rwanda

0
Tsara alaintsika Malagasy tahaka ny ezaka vitan’i Rwanda, ka nahatonga azy ho isan’ireo fiurenena misandratra aty amin’ny kaontinanta Afrikanina ankehitriny, hoy ny Filoha RAJOELINA Andry nandritra ny valan-dresaka ho an’ny mpanao gazety nataon’ny Filoha RAJOELINA Andry sy ny Filoha Rwandais Paul Kagamé alina teny amin’ny Lapàm-panjakana Iavoloha.