vendredi 26 avril 2024
Accueil 2019 juin

Archives mensuelles: juin 2019

« DEL » : maro ireo kaominina nahazo vokatra azo tsapain-tanana

0
Kaominina miisa 50 amin'ny faritra 3 eto Madagasikara no nanatanterahana ny tetikasa DEL na ny Developpement Economique Local nandritra ny 2 taona sy tapany. Fametrahana fampandrosoana ara-toekarena ifotony, izany hoe miainga amin'ny kaominina no tanjona amin'izany. Nahomby ny tetikasa raha ny tatitra natao androany ary maro ireo kaominina nahazo vokatra azo tsapain-tanana.

Olana amin’ny fifidianana : afaka mametraka fitoriana ny olompienena

0
Afaka mametraka fitoriana ny olompirenena izay nandatsa-bato tamin’ny fifidianana Solombavambahoaka farany teo raha nahatsikaritra trangan-javatra nampiahiahy nandritra iny fifidianana iny, fa tsy ny kandidà na ireo solontenany ihany araka ny lalàna velona eto Madagasikara.

Mpivarotra amoron-dalana : tsy misy ny fandraisana andraikitra

0
Manomboka rakotra tsena ny eo am-pitan’ny toby fiantsonan’ny fiara etsy Andohotapenaka. Raha ny fanazavan’izy ireo, hatreto manorina izay te hanorina. Tsy misy ny vola aloa . Tsy nahazoana fanazavana ny avy eo anivon’ny kaominina Antananarivo renivohitra. Milaza ny efa nanala azy ireo kosa ny avy eo anivon’ny fokontanin’Andohotapenaka II.

« Plan Emergence Madagascar » : sehatra maro no nojerena

0
Sehatra ahafahana mampandroso ny firenena ny tontolon'ny zava-boahary saingy tsy voaaro araky ny tokony ho izy izany hatrizay. Ny mikasika ny tontolon'ny tontolo iainana manoloana io, no lohahevitra isan'ny nojerena, nandritra ny andro faharoan'ny famolavolana ny "Plan Emergence Madagascar" notontosaina tetsy Anosy androany.

Famerenana ny « Iles Eparses » : hisy kaomisona hatsangana

0
Hijery vahaolana mikasika ny fitantanana ny Iles Eparses ny Firenena Malagasy sy ny Firenena Frantsay araka ny nivoitra androany nandritry ny fihaonan'ny filohan'ny Repoblikan'i Madagasikara, sy ny Filohampirenena Frantsay. Ankilany, nambaran'ny Filoha Emmanuel Macron fa hiamafy ny fiarahamiasan'ny firenena 2 tonta.

Fifidianana solombavambahoaka : nilamina amin’ny ankapobeny, hoy ny SADC

0
Hita taratra ny ezak’ireo tomponandraikitra isan-tsokajiny tamin’ny fanantanterahana ny fifidianana solombavambahoaka teto Madagasikara na teo aza ny indro kely madinidinika . Izay raha ny fehin’ny fanambarana nataon’ny avy eo anivon’ny SADC androany taorian’ny fanarahamaso notontosain’izy ireo.

Fananana iombonana : tokony ho sarotiny amin’ny fiarovana azy ireny ny tsirairay

0
Maro amin'ireo mpampiasa lalana no tsy manaja ireo lalana asiam-panamboarana amin'izao fotoana izao raha ny tsikaritry ny talem-paritry ny fanajariana ny tany, ny toeram-ponenana ary ny asa vaventy. Tokony ho sarotiny amin'ireny fananana iombonana ireny ny olompirenena tsirairay, hifampiteny sy hikojakoja azy ireny raha ny fanazavana.