Accueil 2019 juillet

Archives mensuelles: juillet 2019

Makis an’i Madagasikara : niarahaba azy ireo ny minisitra mpiahy

0
Nandray ka niarahaba ny Makis an'i Madagasikara ny minisitry ny fanajariana ny tany, ny toeram-ponenana ary ny asa vaventy androany. Nambara nandritra izany, fa vonona ary hanohana hatrany ireo atleta ny eo anivon'ny Minisitera. Tanjona ny hitondrana avo hatrany ny voninahi-pirenena.

CNFPPSH : tontosa ny fampiofanana ireo mpikambana miisa 50

0
Mpikambana miisa 50 eny anivon'ny CNFPPSH no nahavita fiofanana naharitra roa andro. Tanjona aorian'izao fampiofanana izao ny ahafahan'ireo mpiofana miatrika asa tena avy hatrany.

Trano fonenana – Rainilaiarivony : haverina amin’ny laoniny

0
Hanomboka tsy ho ela ny asa fanarenana ny trano fonenan’ny Praiministra Rainilaiarivony eny AMBODITSIRY. Io no nisongadina nandritra ny fitsidihan’ny minisitera tomponandraikitra sy ny solontenan’ny masoivohon’i Japon teny an-toerana. Nanamafy ny fahavononany hiara hiasa amin’ny ministera tomponandraikitra ihany koa ny taranaky ny Praminisitra.

FEC faha-5 : mariky ny fahatokisan’ireo mpamatsy vola

0
Manamafy ny fahatokisan'ireo mpamatsy vola ny fanjakana Malagasy ny fankatoavan'ny Filan-kevim-pitantanan’ny Tahirim-bola iraisam-pirenenena ny famaranana ny fanadihadiana faha-dimin'ny fandaharan’asa FEC , na ny Facilité Elargie de Crédit, hoy ny teo anivon'ny Banky foiben'i Madagasikara. Maro ny asa hiompanan'ny vola kosa hoy ny solotena maharitry ny FMI eto Madagasikara.

CSB II Ambohimanambola : nidina nijery ifotony ireo tomponandraikitra

0
Nidina nijery ifotony ny zava-misy eny amin'ny CSB II Ampahimanga Ambohimanambola ireo tompon'andraikitra androany manoloana ny resabe naely momba ity toeram-pitsaboana ity.

Fanatsarana ny RN 5 : nanomboka androany

0
Natomboka androany ny fanatsarana ny lalana mampitohy an'i Toamasina sy Foulpointe na ny RN 5. Hanarapenitra ny kalitaon'izany raha ny fanazavana teo anivon'ny minisitera tomponandraikitra. Mifandray tanteraka amin'ny fampandrosoana ny toekarena any an-toerana ity fanatsarana ity.

Fitsarana miaramila : hanomboka ny voalohan’ny volana aogositra izao

0
Hiverina manomboka ny voalohan’ny volana Aogositra izao ary hifarana ny faran’ny volana Septambra ny fitsarana miaramila sy ny fanisana ireo vatan-dehilahy feno 18 taona manerana an’i Madagasikara. Tolo-kevitra avy amin’ny Filohan’ny repoblika izany raha ny fanazavana ary isany lalana tokony hodiavin’ny vatan-dehilahy malagasy araka ny lalàna velona.

Lalaon’ny Nosy : afa-po tamin’ny vokatra ireo atleta

0
Tafaverina eto an-tanindrazana androany ny ampahany betsaka tamin'ireo atleta Malagasy nandray anjara tamin'ny lalaon'ny Nosy tany amin'ny Nosy Maurice. Tsara ny vokatra ho azy ireo ary tanjona ny hanatsarana hatrany ny ezaka efa vita.

Fifidianana kaominaly : hihemotra amin’ny fotoana tsy fantatra

0
90 andro mialohan'ny daty hanatanterahana fifidianana, no tokony hivoaka ny didimpanjakana avy amin’ny filan-kevitry ny governemanta miantso ny mpifidy handatsa-bato. Tsy nisy io didimpanjakana io, noho izany hihemotra amin’ny fotoana mbola tsy voafaritra ny fifidianana Ben’ny tanàna.

Edito du 29 juillet 2019

0
19 no najanona amin’ny toerany, 2 naverina, 1 nosoloina… Io ny governemanta azo ambara ho vaovao satria nametra-pialana tarihin’ny Praiminisitra NTSAY Christian. Mitohy ny asa, ny asa no ifampitsarana. Tsy maintsy tanteraka ny vina sy veliranon’ny Filohampirenena RAJOELINA Andry.