vendredi 26 avril 2024

Archives quotidiennes: 24 juillet 2019

Antenimierampirenena : voafidy ireo vaomiera maharitra miisa 32

0
Voafidy androany ireo tomponandraikitry ny vaomera maharitra miisa 32 eny anivon'ny Antenimierampirenena. Kandidà tokana avokoa no natolotr' ireo solombavambahoaka izay ahitana ny solotenan' ireo hery velona rehetra eo anivon' ity andrim- panjakana ity. Tahak' izao ny filahatr' izany .

Harena azo amin’ny tsy rariny : azo giazana amin’izay

0
Aorian’ny famoahan’ny Filohan’ny Repoblika ny lalàna ahafahana manageja ireo harena azo amin’ny tsy rariny dia azo atao tsara manomboka izao ny manageja ireo heverina ho harena azo amin’ny tsy rariny. Izany no natao dia ho fanamafisana ny ady amin’ny kolikoly sy ho fampiarana ny tany tan-dalàna eto Madagasikara araka ny fanazavana mpahay lalàna iray nanaovana fanadihadiana.

Antananarivo sy Toamasina : an-dalana ny drafi-panajariana sy fampandrosoana

0
Hitondra vokatsoa ho an’i Madagasikara indrindra ho an’i Toamasina izay voasokajy ho havokavoky ny toekaren’i Madagasikara ny famoahana ny drafi-panajariana sy drafi-pampandrosoana ny lalana mampitohy an’Antananarivo sy Toamasina. Androany no notontosaina tetsy Anosy ny fivoriana faha 4 amin’ny famolavolana izany.

Haino vaky jery eto Madagasikara : maro no nisokatra tsy nanaraka ny lalàna

0
Maro amin'ireo haino aman-jery sy gazety eto Madagasikara no nisokatra tsy ara-dalàna raha ny nambaran'ny tomponandraikitra eo anivon'ny minisiteran'ny kolontsaina sy ny serasera. Tato anatin'ny 5 taona farany no tena nahitana tranga maro, ka andraisana fepetra manomboka izao.