vendredi 26 avril 2024

Archives quotidiennes: 26 juillet 2019

Tohana ara-tsakafo : hampitomboina ny mpisitraka

0
Ny 9 % n’ny mpianatra anivon’ny ambaratonga fototra no misitraka ny tohana ara-tsakafo any an-tsekoly ankehitriny. Tsara ny vokatry ny tetikasa araka ny tombana natao ka anatin’ny ezaka ho fampitomboana ireo mpahazo tombony ny minisiteran’ny fanabeazam-pirenena sy ny mpiara miombon’antoka.

Fenoarivobe Tsiroanomandidy : manjaka ny halatr’omby

0
Mandry tsy lavo loha ireo mponina any amin'ny distrikan'i Fenoarivobe ankehittriny, omby miisa 40 indray no lasan'ny ahalo ka hanaovan'izy ieo antso avo mba hanampiana ireo mpitandro filaminana any an-toerana hamongotra ny asan-dahalo.

Governemanta vaovao : fanohizana ny asa

0
Governemanta hanohy ny asa. Governemanta hanatanteraka ny velirano sy ny vinan’ny Filoham-pirenena, izay no fahitan’ny mpanara-baovao ny fanendrena ireo mpikambana handrafitra ny governemanta. Minisitra iray no nisolo, Solombavambahoaka roa no naverina tamin’ny toerany.

Mpivarotra eny amin’ny tsena Anosibe : tsy manaiky ny tsindry hazolena ataon’ny kaominina

0
Tsy hanaiky hatramin'ny farany ny tsindry hazolena ataon'ny kaominina Antananarivo renivohitra manoloana ny fanorenana tsena ao amin'ny parking tsena Anosibe ireo mpivarotra. Fanorenana izay natao ho an'ny tombotsoan'ny olom- bitsy raha ny fanazavana azo.

Fivoriana momban’ny Tetikasa TATOM: nifarana androany

0
Nifarana androany tetsy Anosy ny fivoriana nentina namolavola ny drafi-panajariana an’Antananarivo sy Toamasina sy ny drafi-pampandrosoana ny lalana Antananarivo Toamasina. Ny tetikasa no mifarana fa ny asa vao manomboka, raha ny fanazavan’ny minisitry ny fanajariana ny tany, ny asa vaventy ary ny toeram-ponenana. Asa izay mifanaraka tanteraka amin’ny vina napetraky ny Filohan’ny repoblika.