Archives quotidiennes: 27 juillet 2019

Lalana – Soanierana : nitazam-potsiny ny CUA

0
Fokontany 4 eny Soanierana sy ny manodidina ankehitriny no mitondra faisana vokatry ny fahapotehan’ny ampahan-dalana eny antoerana. Nitazam-potsiny ny kaominina Antananarivo manoloana ny antso natao nandritra ny 8 volana hoy ny sefo fokontany eny Soanierana.

MAHTP : hentitra amin’ireo fandikan-dalàna ny minisitera

0
Fanamby lehibe apetraky ny eo anivon'ny minisiteran'ny fanajaraiana ny tany, ny toeram-ponenana sy ny asa vanenty ny tsy fanekena ny gaboraraka sy ny fandanindaniam-poana ny volam-panjakana. Nitondran'ny ministera fanazavana ihany koa ny mahakasika ny raharaha amin'ny Solombavambahoaka Naivo RAHOLIDINA. Henri Florien

MENETP : haverina amin’ny laoniny ny tetiandrom- pampianarana

0
Haverina amin'ny laoniny ny tetiandrom- pampianarana izay nasiam- panovana tamin'ny alalan'ny tetikasa PSE. Ankoatr' izay, betsaka ireo fanatsarana ho hita eny anivon'ny minisiteran'ny fanabeazam- pirenena raha ny tatitra nataon'ny minisitra tomponandraikitra nandritry ny famindram- pahefana natao androany teo amin' ireo minisitra 2 tonta.

MESUPRES : tontosa androany ny fifamindram-pahefana

0
Fanantanterahana ny vina napetraky ny filohan’ny repoblika, Fanohizana ny fanatsarana ny kalitaon’ny fampianarana ambony . Izay amin’ny ankapobeny ny asa miandry ny minisitra tomponandraikitra. Tontosa io maraina io teny Fiadanana ny fifamindram-pahefana teo amin’ny minisitry ny fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa teo aloha sy ny minisitra vaovao. Nandritr’izay no nanantanterahan’ny minisitra nivoaka ny tatitra ny asa vitany.

ACMIL Antsirabe: nivoaka ny andiany «Jly de Brigade Andrianaivo Raymond »

0
Manamboninahitra miisa 55, ka vehivavy ny 6 tamin'ireo no navoaka tamin’ny fomba ofisialy androany tao amin’ny ACMIL Antsirabe. Nitondra ny anaran’i « Général de Brigade Andrianaivo Raymond » ireto andiany ireto. Andiany mivantana faha-40 izy ireo. Tonga nanatrika ny famoahana azy ireo ny filohan'ny repoblikan'i Madagasikara RAJOELINA Andry.