vendredi 26 avril 2024

Archives quotidiennes: 3 août 2019

Androm-paritry ny fahasalamana : nosokafana tao Antsirabe ny andiany faha-7

0
Nosokafana tamin’ny fomba ofisialy tao Antsirabe ny andiany faha-7 ny androm-paritry ny fahasalamana eo anivon’ny faritry Vakinankaratra. Hanomezan-danja manokana ny fahasalamam-bahoaka sy hanomezana tolotra maimai-mpoana hoan’ny vahoaka ao amin’ny faritry Vakinankaratra no tanjona.

Fanamboaran-dalana : hentitra ny fanaraha-maso nataon’ny fitondram-panjakana

0
Hovitaina mialohan’ny fahatongavan’ny fahavaratra ny ampahany betsaka amin’ny asa fanamboaran-dalana eto An-drenivohtra. Nidina nijery ifotony ireo fanamboaran-dalana maro ireo androany ny minisitry ny fanajariana ny tany, ny toeram-ponenana ary ny asa vaventy. Nisy ny fepetra noraisina entina handrindrana ny asa.

« Calendrier Scolaire » : tokony haverina tamin’ny teo aloha

0
Naneho ny heviny ireo mpampiantra sy ireo ray aman-drenin'ny mpianatra eto anivon'ny faritra Analamanga androany nandritra ny fivorian'izy ireo fa manohana ny fanapahan-kevitra noraisin'ny ministera amin'ny hamerenana ny fandaharam-potoam-pampianarana toy ny teo aloha.

Fandraisana ny Papa : hotsirihana manokana ireo fiara hiakatra eto Antananarivo

0
Hisy fitsirihana manokana hatao ireo fiara rehetra hitondra ireo mpino Kristianina avy any amin'ny faritra hiakatra eto Antananarivo amin'ny fotoana fandraisana ny Papa François. Ho fisorohana ny loza mety hitranga eny an-dalana no tanjona amin'izany.