vendredi 26 avril 2024

Archives quotidiennes: 6 août 2019

Famangian’i Pape François : nivoaka androany ny fandaharam-potoana

0
Nivoaka tamin'ny fomba ofisialy androany ny fandaharam-potoanan’ i Papa François mandritra ny fitsidihiny an’i Madagasikara. Ny faha-6 ny volana septambra i Papa François no higadona eto Madagasikara. Fitsidihana sy fandaharam-potoana maro samihafa no hotanterahiny mandritra io famangiany an’I Madagasikara io.

Tetikasa PACFC : fotodrafitrasam-pampandrosoana maro no hatsangana

0
Mitentina 144 tapitrisa dolara ny vola hanatanterahana ny tetikasa PACFC na ny Projet d’Aménagement de Corridors et de Facilitation du Commerce. Ankoatran’ny fanamboaran-dalana sy tetezana hanamorana ny fifandraisana eto Madagasikara, fotodrafitrasam-pampandrosoana maro no hapetraka hanatsarana ny sosialim-bahoaka.

CEPE 2019 : efa voaparitaka manerana ny Nosy ireo laza adina

0
Efa voaparitaka manerana ny Nosy ankehitriny ireo laza adina hiatrehan'ny mpianatra ny fanadinana CEPE raha ny fanazavan'ny Minisitry ny fanabeazam-pirenena fampianarana teknika sy fanofanana araka asa androany, nohamafisiny ihany koa fa hivoka amin'ity herinandro ity ny tetiandrom-pampianarana 2019 – 2020.

Lalàna hifehy ny serasera : tontosa ny tatitra ampahibemaso ny volavolam-panitsiana

0
Tontosa androany ny tatitra ampahibemaso ny fakan-kevitra isam-paritra momba ny fanitsiana ny lalàna hifehy ny serasera eto Madagasikara. Teboka 9 lehibe no nisongadina anatin’izany ka nampidirina avokoa ny fanamarihan’ireo mpisehatra amin’ny gazety sy haino aman-jery nandritra ny atrikasam-paritra.