samedi 27 avril 2024

Archives quotidiennes: 7 août 2019

STP-CA : harindra ny antontan-kevitra momba ny famatsiam-bola

0
Tsy nandeha tamin’ny laoniny ny fampiasana ny famatsiam-bola azon’i Madagasikara hatrizay. Tsy voafaritra ny laharampahamehana vokatry ny tsy fananana antontan-kevitra mazava. Nampahafantarin’ny STP-CA androany arak’izany ny fikirakirana antontan-kevitra ho fanatsarana ny lafiny fitananana anatin’ny mangarahara.

Fanendrena PDS : tsy mitombona izany, hoy ny Filohampirenena

0
Tsy mitombina ny feo ahely ankehitriny ny amin’ny hoe ho soloina PDS ireo Ben’ny tanàna ankehitriny, hoy ny Filohan’ny Repoblika RAJOELINA Andry. Farafahatarany amin’ny herinandro ho avy dia hisy ny fanapahan-kevitra ho raisina anaty filan-kevitry ny minisitra, hoy hatrany ny Filohan’ny Repoblika.

Tahan’ny fandoavan-ketra : nitombo manodidina ny 15 %

0
Nihatsara raha oharina tamin’ny taondasa ny tahan’ny fandoavan-ketra anivon’ny kaominina aro eto Madagasikara. Isany nahitana fiakarana hatramin’ny 15 % ny hetra tambatra sy ny hetran-tany sy hetran-trano.

Madagasikara : hisy fanamboarana fonja vaovao miisa 5

0
Fonja vaovao miisa dimy no haorina eto Madagasikara amin'izao fotoana izao hialana amin'ny fahafenoan'ny fonja eto amintsika raha ny nambaran'ny minisitry ny fitsarana androany. Hafindra eny amin'ny fonja vaovao Tsara Ambina Imerintsiatosika ireo mpanao heloka bevava aorian'ny fahavitan'ity fonja Tsara Ambina ity.