Archives quotidiennes: 10 août 2019

Fiarabe mpitatitra tany : tsy mazava ny fomba fiasan’ny CUA

0
Tsy mazava ny fomba fiasan'ny kaominina manoloana ny fivezivezen'ireo fiarabe mpitatitra tany eto Andrenivohitra. Ny lalàna anefa no tokony hampiharina ka iharan'ny sazy avokoa izay rehetra mandika izany.

Ranomasina : azo avadika solika

0
Ranomasina havadika ho solika, io no vokatry fikarohana nataona mpianatra eny amin’ny oniversite iray nanaovana fanadihadiana. Azo hampiharina eto Madagasikara ny fikarohana saingy olana amin’ny fanatanterahana azy ny lafiny ara-bola raha ny fanazavana.

Fahatongavan’ny Papa Ray Masina : hamboarin’ny fitondram-panjakana ny lalana handalovany

0
Ankoatry ny fanamboaran-dalana hiarahan’ny mpamatsy vola sy ny fitondram-panjakana miasa, amboarin’ny fitondram-panjakana avokoa ankehitriny ireo lalana handalovan’ny Papa Ray Masina rehetra. Toerana maro no voakasik’izay .

Olana rano eny Antsahameva: nisy vahaolana vonjimaika

0
Nampiaka-peo ireo mponin'Antsahameva eny Ankatso io maraina io nohon'ny fahatapahan-drano ela loatra eny amin'izy ireo. Teo ny eo ihany, nisy ny vahaolana vonjimaika natolotry ny Jirama . Efa an dalana ny fanamboarana rehetra ary hivaha ao anatin'ny fotoana ny olana raha ny fanazavan'ny tomponandraikitra eo anivon'ny Jirama.

Filohan’ny Repoblika Malagasy : nandray Ambasadaoro miisa 3

0
Nandray ny ambasadaoron’i Pakistan, Frantsa ary Allemagne nitondra ny taratasy fanendrena azy ho masoivohon’ireo firenena ireo eto Madagasikara androany maraina teny amin’ny Laàpam-panjakana Iavolha ny Filohan’ny Repoblika Malagasy RAJOELINA Andry. Nisongadina tamin’ny fihaonana ny fiverenan’ny fahatokisan’ireo firenen-dehibe ny politikam-pampandrosoana tanterahin’ny fitondrana Malagasy ankehitriny.

Hajia « Pape François » : nivoaka omaly

0
Nampahafantarina omaly ny fivoahan’ny hajia na ny « timbre PAPE FRANCOIS » natontan’ny minisiteran’ny paositra sy ny fifandraisan-davitra. Ho fanomezan-danja sy ho fanamarihana ny fandalovan’ny PAPE eto Madagasikara no anton'izany.