Archives quotidiennes: 12 août 2019

Nosy be : zava-dehibe ny fiaraha-miasaeoa amin’ny mpitondra fanjakana sy ny vahoaka

0
Zava-dehibe ny fiaraha-miasa eo amin'ny mpitondra fanjakana sy ny vahoaka hoy ny solombavambahoaka voafidy tao Nosy Be, nandritra ny fametrahana azy tamin'ny fomba ofisialy tany an-toerana omaly. Ny hampandroso an'i Madagasikara amin'ny alalan'ny fiaraha-mientan'ny tsirairay no tanjona.

Fanadinam-panjakana : efa voapetraka sy mirindra avokoa ny tetiandro rehetra

0
Efa voapetraka sy mirindra avokoa ny tetiandro hiatrehana ny fanadinam-panjakana amin'ity taom-pianarana 2018-2019 ity hoy ny minisitra tomponandraikitra nandritra ny fandalovany tany Nosy Be Hell ville. Entanina ny ray aman-dreny sy ny mpampianatra hanara-maso ny zaza amin'ny fiatrehana izany.

Fikarakarana tokantrano : niova nanaraka ny toetry ny andro

0
Tsy mitovy amin’ny tany aloha ny andraikitry ny vehivavy eo anivon’ny tokantrano amin’izao fotoana izao. Nanaraka ny fivoaran’ny toetry ny andro izany. Ho an’ny mpandala ny maha-Malagasy, zava-dehibe ny fahaizan’ny vehivavy mikarakara tokantrano . Misy ireo misafidy ny hianatra izany manokana.

Famerenana ny fandriampahalemana : zava-dehibe ny fifanomezan-tanana.

0
Zava-dehibe ny fifanomezan-tanana hahafahana mamerina ny filaminana eto Madagasikara. Omaly sabotsy sy ny zoma lasa teo, basy maromaro no saron'ny zandary vokatr'izay fiaraha-miasa amin'ny vahoaka izay.

Raharaha 10 Aogositra 1991 : feno 28 taona androany

0
Feno 28 taona androany ny hetsika nitakian'ny vahoaka Malagasy ny fialan'ny filoha Didier Ratsiraka tamin'ny 10 Aogositra taona 1991. Vahoaka maro no namoy ny aina tamin'izany. Hetsi-bahoaka izay nitondra ho amin'ny Repoblika faha-3 ity hetsi-bahoaka 91 ity, izay nipoiran'ny Diaben'ny fahafahana.

Edito du 10 août

0
Saika ahitana fanamboaran-dalana avokoa amin'izao fotoana izao ny Faritra maro manerana ny Nosy. Manana tanjona ny hampivoatra sy hampandroso ny fitondrana matoa manao izany ezaka izany. Mahatsapa izany ve ny rehetra ? Io no fanontanian'ny mpanara-baovao maro mahita ny tsy firaharahian'ny ambaratongam-pahefana sasany.

« Mpanazava Day » : nankalazaina androany teny amin’ny LMA

0
Nankalazaina androany teny amin'ny LMA ny "Mpanazava Day" na ny tontolo andro ho an'ny mpanazava. Hetsika maro no nentina nanatanterahana izany , izay tafiditra ihany koa amin'ny fankalazana ny andro iraisam-pirenena ho an'ny tanora.

« Ligue des champions d’Afrique » : lavon’i Fosa Juniors ny Pamplemousses

0
Tontolon'ny fanatanjahantena, taranja baolina kitra, Lavon’i Fosa Junior tamin’ny isa 1 noho 0 ny Pamplemousse FC avy atsy Maurice tao amin’ny kianjan'i Rabemananjara Mahajanga androany.