Archives quotidiennes: 17 août 2019

Fahatongavan’i Papa eto Madagasikara : fiara 4 128 no hitaona ny mpizaika

0
Fiara manodidina ny 4 000 no hitaona ireo mpizaika manerana ny diosezy rehetra eto Madagasikara amin’ny fahatongavan’ny Papa François ny 06 Septambra izao. Tsy mbola feno amin’izao ireo fiara ilaina. Hisy arak’izany ny fananganana komity entina mitady vahaolana ao anatin’ny fotoana fohy.

Faritra Atsimo : hisy rivotra maherin’ny 1 000 km/h hitsoka

0
Hisy rivotra maherin’ny 1 000 km/h hitsoka amin’ny morontsiraka atsimon’ny Nosy ny Alahady sy Alatsinainy izao. Hiakatra ary hanonja arak’izany ny ranomasina miaiga eo Morombe ka hatrany Lopary Tsiately.

Edito du 17 août 2019

0
Ny satan’ny mpanohitra sy ny fanoherana no tolo-dalàna dinihin’ny Antenimiera roa tonta amin’izao fivoriana tsy ara-potoana izao. Ho an’ny Antenimerampirenena manokana ho hatsaraina ny fitsipika anatiny tsy hiverenan’ny sary ratsy endrika namery hasina ity Andrimpanjakana mpanao lalàna ity. Midika izany fa azo antoka ny hanjakan’ny demokrasia eto Madagasikara. Tsy latsa danja amin’izany ny politika ankapoben’ny fanjakana, izay natolotry ny Praiminisitra ny Solombavambahoaka. Miroso amin’ny fampandrosoana tokoa ny firenena.

Fiompiana carpe : mamaritra ny 75%n’ny fiompiana an-tanimbary

0
Isan’ireo mamaritra ny vokatra jono betsaka indrindra avy amin’ny mpanjono madinika ny fiompiana carpe. Misedra olana anefa izany fiompiana izany manoloana ny halatra sy ny biby kely eny an-tanimbary.