lundi 14 octobre 2019

Archives quotidiennes: 20 août 2019

video

Distrika Fenerive-Est – kaominina Vohilengo : andramena 59 saron’ny zandary

Bolabolana andramena miisa 59 indray no saron'ny zandarimariam-pirenena tao amin'ny kaoinina Vohilengo ao anatin'ny distrikan'i Fenoarivo Atsinana ny faran'ny herinandro teo. Ny fitazomana azy ireto izay tsy mbola nanaovana fanambaran-tahiry.
video

“Moto scooter 50cc” : betsaka ny lozam-pifamoivoizana aterany

Betsaka ny lozam-pifamoivoizana ateraky ny moto scooter 50cc. Izay indray no niompanan’ny fanadihadiana niarahan’ny Agence Capsule sy ny Kolo Tv. Ho entina aminao ato anatin’ny fanadihadiana manaraka ny mikasika izay.
video

Vondrona Parlementera : Solombavambahoaka miisa 15 fara-fahakeliny vao afaka manangana

Androany no nentina teo anatrehan'ireo solombavambahoaka ny fitsipika anatiny eo anivon'ny antenimierampirenena. Isan'ny vaovao ny hoe, tsy maintsy mahafeno 15 ny isan'ireo solombavambahoaka vao afaka manangana vondrona parlemantera raha 5 izany teo aloha.
video

Fihaonana an-tampon’ny SADC : neken’ny mpikambana ny Filoha RAJOELINA Andry

Resy lahatra ireo filoham-panjakana tonga nanatrika ny fihaonana an-tampon'ny SADC fa manana olona mpitarika i Madagasikara. Ny filohan'ny repoblika izay nanamafy nandritra ny fandraisam-pitenenany fa tsy tokony hijanona eo amin'ny fifanakalozan-kevitra fotsiny ihany ny fampandrosoana an'i Afrika.