vendredi 26 avril 2024

Archives quotidiennes: 22 août 2019

Fanatanjahantena : manomboka ahitana fahombiazana

0
Nahitana fahombiazana ny resaka fanatanjahantena teto amin’ny firenena tato ho ato. Izay indray no niompanan’ny fanadihadiana niarahan’ny Agence Capsule sy ny Kolo Tv. Ho entina aminao ato anatin’ny fanadihadiana manaraka ny mikasika izay.

Claudine RAZAIMAMONJY : asa an-terivozona 7 taona sy lamandy 100 tapitrisa Ariary

0
Nivoaka omaly teny amin'ny PAC 67 Ha ny fitsarana an'i Caludine RAZAIMAMONJY. Asa an-terivozona mandritra ny 7 taona sy lamandy 100 Tapirisa Ariary no sazy azony. Na izany aza, tokony hisokatra ny fanadihadiana ho an'ireo mpiara-miasa sy mpiray tsikombakomba aminy mba ho tany tan-dalàna tokoa i Madagasikara.

Androm-pirenena ho an’ny fampinonoan-dreny : nisitraka izany ny tany Itasy

0
Mbola ao anatin'ny herinandron'ny fankalazana ny androm-pirenena ho an'ny fampinonoan-dreny isika izao,tsy diso anjara amin'izany ny tany amin'ny faritra itasy. Androany no nisitraka ny fanentanana ny mponina tao amin’ny Distrikan’i Miarinarivo.

Antananarivo Renivohitra : laharana voalohany amin’ny loto sy fako aty Afrika

0
Tafiditra laharan voalohany aty afirka amin'ny loto sy fako Antananarivo renivohitra ary laharana faha 3 maneran-tany araka ny fanadihadiana navoaky ny Magazine Forbes sy Afrikmag. Midika izany fa tsy mahavita ny asany ny mpitantana ny tanànan' Antananarivo Renivohitra.

Lalàna hifehy ny mpanohitra : nafana ny adihevitra teny amin’ny Antenimierampirenena

0
Nafana ny adihevitra teny amin'ny Antenimierampirenena Tsimbazaza androany izay nandiniana sy nandaniana ny volavolan-dalàna hifehy ny mpanohitra. Tsy nandray anjara tamin'ny fandaniana izany ny vondrona parlemantera Tiako i Madagasikara, taratry ny demokrasia izany, hoy ireo solombavambahoaka hafa.

Oniversite an’Antananarivo sy Kyoto : mitohy ny fiaraha-miasa

0
Tafiditra tanteraka ao anatin’ny fampivoarana ny tontolon’ny fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa eto Madagasikara, mitohy ny fiarahamiasan’ny oniversitean’ Antananarivo amin’ny oniversite an’i Japon. Ny fisian’ny fifaneraserana sy fifampizarana traikefa eo amin’ny mpampianatra sy ny mpianatra amin’ny ankapobeny no iompanan’izany. Nisy io maraina io ny fifanaovan-tsonia teo amin’ny Oniversitean’i Kyoto sy ny oniversitean’Antananarivo mikasika izay na ny Memorandum of Understanding.