Archives quotidiennes: 27 août 2019

Fanomanana fanadinana CEPE : efa vonona tanteraka

0
Efa vonona avokoa ny fanomanana ny fanadinana CEPE izay hatao rahampitso Talata manerana an' i Madagasikara, raha ho an'ny CISCO Antananarivo manokana. Nihena 9% ny isan'ny mpiadina raha oharina tamin'ny herintaona, raha ny fanazavana azo hatrany. Tsy misy miova kosa ny fizotry ny fandaharam-potoana.

Lisi-pifidianana : miroso amin’ny fanatsarana ny CENI

0
Taorian'ireo tsikera maro momba ny lisi-pifidianana. Nandray fanapahan-kevitra ny Ceni fa hatsaraina ny lisi-pifidianana amin'ny fifidianana izay ho ben'ny tanàna. Miroso amin'ny fangatahana didy havoakan'ny fitsarana ambaratonga voalohany izy ireo amin'izao fotoana izao mba hahafahana mikitika indray ny lisi-pifidianana.

Taxi-be : manjaka tanteraka ny gaboraraka

0
Mbola tsy nahitana fanatsarana ny kalitaon’ny tolotra omen’ny fiara fitateram-bahoaka ny mpanjifa eto an-drenivohitra. Mahazo vahana ny gaboraraka, tsy manaraka ny fenitra araka ny tokony ho izy ny fiara raha ny fanadihadiana. Tomponandraikitra voalohany amin’izany ny kaominina Antananarivo araka ny fizaran’asa anatin’ny bokinan’andraikitry ny fitaterana.

Fiarovana ny fananana iombonana : mitazam-potsiny ny CUA

0
Mitazam-potsiny ny mpitantana ny tananan'Antananarivo manoloana ny fisiana andian'olona manimba ny fananana iombonana, toy ny lalana. Ankoatry ny fikaofan'olona ny sisin'arabe eny amin'ny lalana Ivato-Tsarasaotra, kaofin'ireo mpanao biriky ihany koa ny sisin'ny fefiloha.

PAC : orinasa « PETA », nahatratra 140 miliara Ariary ny volam-bahoaka nahodiny

0
Rahampitso Talata faha-27 aogositra no hifarana ny fotoam-pitsarana voalohany amin’ny ady heloka bevava eny anivon’ny PAC na Pôle Anti-Corruption. Raharaha 12 no notsaraina nandritra ity fotoam-pitsarana voalohany ity. Fanampim-panazavana.