vendredi 26 avril 2024

Archives quotidiennes: 28 août 2019

COP 18 CITES : nahomby ny dian’ireo delegasiona Malagasy

0
Nahomby ny dian'ireo delegasiona Malagasy niady ny hahafahantsika mampiasa ireo tahirina hazo sarobidy. Vonona ny CITES hanome tantsoroka antsika amin'ny fanatanterahana ny Paikady hapetraka.

Fanadinana CEPE : nizotra araky ny tokony ho izy

0
Tontosa tam- pilaminana ny fananadinana CEPE izay notanterahina ny tontolo andro androany Talata faha 27 aogositra manerana an' i Madagasikara. Saika tsy nahitana olana avokoa ny foibem- panadinana rehetra. Tany Toamasina no nanokafana izany tamin'ny fomba ofisialy ny maraina teo izay natrehin'ny minisitry ny fanabezampirenena.

« Guichet Unique des Marchés Publics » : hanafainganana ny fitantanan-draharaham-panjakana

0
50%n’ny tsenam-barom-panjakana no nahitana tsy fahatomombanana ny taona 2016 sy 2017. Ela ihany koa ny fikirakirana ny antontan-taratasy. Taorian’ny baiko nomen’ny filohan’ny repoblika amin’ny fanafainganana sy fanovana ny fomba fiasa eny anivon’ny sampandraharam-panjakana, napetraka androany ny guichet unique des marches publics etsy Antsahavola. Ny minisiteran’ny asa vaventy no hanombohana ny andrana ary manomboka eo dia ao anatin’ny 24 ora no hivaly ny fikirakirana taratasy.

Japon « TICAD 7 » : hanatrika izany ny Filoha RAJOELINA Andry

0
Iray andro mialoha ny hisokafan’ny andiany fahafito amin’ny Fivoriambe iraisam-pirenena eto Tokyo, Renivohitry Japon, ho an’ny fampandrosoana an’i Afrika na « TICAD 7 » efa tonga any an-toerana ny Delegasiona malagasy tarihin’ny Filohan’ny Repoblika RAJOELINA Andry mivady. Nisy avy hatrany, ny fihaonan’ny Filoha Malagasy, tamin’ireo tomponandraikitra ambony Japoney momba ny fifandraisana iraisam-pirenena sy ny fifandraisana ara-barotra misahana an’ireo tetikasa sy fifanaraham-piaraha-miasa manerana an’izao tontolo izao. Fanampim-panazavana.