vendredi 26 avril 2024

Archives quotidiennes: 29 août 2019

MAHTP : napetraka androany ny « Direction General du Fond National Foncier »

0
Tafapetraka soa amantsara ny filan-kevi-pitantanana ny tahirimbolam-pirenena nasionaly eo anivon'ny sehatry ny fananantany, izy ireo izay hanampy ny sampandraharahan'ny fananantany, eo anivon'ny minisiteran’ny fanajariana ny tany, ny toeram-ponenana sy ny asa vaventy

Fiatrehana ny vanim-potoan’ny pesta : efa nisy ireo fepetra noraisina

0
Efa manomboka miditra ao anatin'ny vanim-potoana ahitana ny valan'aretina pesta isika eto Madagasikara amin'izao fotoana izao, ny fiaraha-mientan'ny tsirairay amin'ny fitandroana ny fahadiovana no vaha olana maharitra iadiana amin'izany. Efa misy ny ezaka ataon'ny ministera amin'izao fotoana izao.

RAJOELINA Andry – TICAD 7 : « Tsy haingitraingitra fa zo fototra maha-olona ny sakafo »

0
« Tsy haingitraingitra fa zo fototra maha-olona ny sakafo », io no nasongadin’ny Filoha RAJOELINA Andry nandritra ny fandraisany fitenenana omaly tany Tokyo Japon, mialohan’ny fivoriambe iraisam-pirenena andiany faha-7 hiadiana amin’ny tsy fanjarian-tsakafo ho an’ny ankizy aty Afrika. Velirano efa nataoko ho an’ny vahoaka Malagasy rahateo, hoy hatrany ny Filoha Malagasy ny hanafoanana ny tsy fanjarian-tsakafo any Madagasikara. Fanampim-panazavana.

Tapakila fidirana eny amin’ny Kianja Soamandrakizay : tsy andoavam-bola

0
Zaraina maimaim-poana ho an’ireo mpino keristianina efa nisoratra anarana ny tapakila hahafahana miditra eny amin’ny Kianja Soamandrakizay mandritra ny alim-bavaka ny Sabotsy faha-7 septambra sy ny lamesa lehibe tarihin’i Papa ray masina ny Alahady faha- 8 septambra fa tsy amidy, hoy ny tomponandrikitra mikarakara ny fandraisana ny Papa eto Madagasikara. Fanampim-panazavana.

CUA : mitohy ny fanorenana tsena tsy ara-dalàna

0
Tsena vy ahitana box 160 indray no atsangan’ny kaominina Antananarivo Renivohitra am-boletra etsy amin’ny fokontany LALAMBY ANOSIBE. Fikambanana tsy miankina antsoina hoe « MANAMPy » no nomen’izy ireo hitantana izany. Tsy fantatra mazava ankilany na ny fifanarahana na ny fepetra samihafa ahazoana ny tsena.