vendredi 26 avril 2024

Archives quotidiennes: 30 août 2019

Vola hikarakarana fifidianana Kaominaly : efa any am-pelantanan’ny CENI

0
Efa any am-pelantanan’ny CENI amin’izao fotoana ny vola hikarakarana ny fifidianana Kaominaly, izay hotontosaina ny faha-27 Novambra ho avy izao raha ny fanambaran’ny minisitry ny toekarena sy ny fitantanam-bola androany. Tsy tokony hanana ahiahy intsony ny rehetra raha ny nambarany hatrany.

Fifidianana Filohan’ny FMF : nisy ny hosoka ?

0
Toarian’ny fifidianana izay ho Filohan’ny Federasiona Malagasy ny baolina kitra izay notontosaina tany Ifaty Toliara ny Sabotsy faha-24 aogositra lasa teo, dia nisy Filohana ligy rezionaly, izay isan’ny mpifidy nanatona vadintany nitondra porofo fa nisy ny kolikoly nandritra io fifidianana io. Fanampim-panazavana

OVEC : nanomboka nandray ny antontan-taratasy firotsahan-kofidiana androany

0
Kandidà ho ben'ny tanàna iray no tonga nanatitra ny antotan- taratasy filatsahana ho fidiana teny anivon'ny OVEC Antananarivo Renivohitra androany Alakamisy 29 Aogositra, fotoana fisokafan'ny fametrahana ny antontan-taratasy filatsahana ho fidiana manerana an' i Madagasikara.

Fahazoan-dalana mitrandraka harena an-kibon’ny tany : havoaka miandalana

0
Haverina hosokafana tsy ho ela ny fahazoan-dalana mitrandraka harena an-kibon’ny tany eto Madagasikara. Ho hentitra ankilany ny fepetra takiany amin’ny mpitrandraka manombok’izao, indrindra amin’ny fanarahana ny bokin’andraikitra sy ny fanarahamaso ny tamberin’andraikitry ny fitrandrahana.

RAJOELINA Andry : hahaleotena ara-bary i Madagasikara afaka 4 taona

0
Nandray fitenenana nandritra ny fivoriana iraisam-pirenena hiadiana amin’ny tsy fanjarian-tsakafo aty Afrika androany ny Filoha RAJOELINA Andry, nomarihiny tamin’izany fa afaka 3 na 4 taona dia hahaleotena ara-bary i Madagasikara. Fanampim-panazavana.