vendredi 19 avril 2024

Archives quotidiennes: 4 septembre 2019

Fahatongavan’ny Papa François eto Madagasikara : hiara-hientana ny rehetra

0
Manentana ny rehetra hiara-hientana hanaja ny fahadiovana mialoha sy mandritra ary aorian'ny fandalovan'ny Papa François eto Madagasikara ny tomponandraikitra eo anivon'ny kaominina Ivato. Anatin'izay ny fanajana ny fahadiovana sy ny filaminana mandritra ny fitsenana azy.

Tetikasa TATOM : mandray anjara ny governemanta Japonais

0
Ny governemanta Japonais no isan’ny misantatra amin’ny famatsiam-bolan’ny tetikasa TATOM. Taorian’ny fifanaovantsonia notanterahana tany Japon, ho fanatsarana ny tetezan'i Mangoro sy Antsapazana amin'ny lalam-pirenena faha-2, nisy androany ny fifanaovan-tsonia notanterahan’ny solontenam-panjakana sy ny JICA mikasika izay fanamboarana izay. Fanadihadiana.

PNDIE : napetraka ny Politikam-pirenen’ny Fotodrafitrasa sy ny Fampitaovana

0
Voapetraka ny Politikam-pirenenan’ny Fotodrafitrasa sy ny fampitaovana, izay sehatra entina handaminana ny fironana apetraka eto amin’ny firenena eo amin’ny lafiny fampiasam-bola maharitra. Mikasika ny fanatanrehana ity politika ity, nisy ny fanohanana ara-bola nataon’ny minisiteran’ny fambolena, ny fiompiana, ary ny jono, ny OIT, PAGE/GIZ. Fanadihadiana

« Ecoles Numériques » eto Madagasikara : hiampy 15 hatramin’ny taona 2020

0
Mitohy hatrany ny fiaraha-miasa eo amin'ny minisiteran'ny fanabeazam-pirenena sy ny sehatra tsy miankina. Ho fanatsarana ny kalitaon'ny fanabeazana eto Madagasikara, notanterahana androany ny fifanaovan-tsonia fotohizan'ny fiaraha-miasa eo amin'ny MENETP sy ny fondation Orange hanitarana ny "Ecoles Numériques".