vendredi 26 avril 2024

Archives quotidiennes: 5 septembre 2019

Firotsahan-kofidiana Ben’ny Tanàna : nisy ny fepetra noraisin’ny CENI

0
Herinandro nisokafan'ny fametrahana ny antontan-taratasy filatsahan-kofidiana, miisa 7 ihany hatreto ireo kandidà nametraka ny antontan-taratsy manerana an'i Madagasikara. Ankilany, nisy ihany koa ny fepetra noraisin'ny CENI mahakasika ny fanamarinan-tsonia eny anivon'ny distrika izay efa azo atao eny amin'ny kaominina amin'izao fotoana izao.

Fahatongavan’i Pape : efa milamina avokoa ny fandrindrana rehetra

0
Efa tomombavana avokoa amin'ny ankapobeny ireo fepetra rehetra handraisana ny vahiny indrindra fa ny toerana lehibe eny Soamandrakizay izay efa eo amparamparanana amin'izao fotoana izao, fepetra maro samihafa no noraisina mandritra ity fahatongavan'i Pape ity.

« ECO – ECOLE » : nibata fandresena i Madagasikara

0
Nandresy ary nibata ny amboara ny solotenan'ny mpianatra avy eto Madagasikara raha nifaninana tamin'ny Seychelle, Maurice sy Comore amin'ny tetikasa fiarovana ny tontolo iainana, amin'ny alalan'ny angovo azo havaozina. Tombony ho antsika izany ary fakan-tahaka ho an'ny rehetra manoloana ny fiovaovan'ny toetrandro.

Tafika anabakabaka : mpanamory 3 no notolorana mari-pahaizana

0
Mpanamory fiaramanidina Malagasy avy amin'ny tafika Malagasy no notolorana maripahaizana na "diplome de qualification AS 350 B2" teny amin'ny tony miaramila BANI Ivato. Izany no natao ho famerenana ny hasin'ny tafika anabakabaka raha ny fanazavana azo.

« Tsingy Rouge » Antsiranana : nohavaozina ny fotodrafitrasa

0
Ho fampiroboroboana ny fizahantany any amin’ny Faritr’i Diana any avaratry ny Nosy, indrindra fa ny « Tsingy Rouge » dia navaozina ny fotodrafitrasa handraisana ireo mpizahantany any an-toerana. Tanjona amin’ny fanavaozana fotodrafitrasa ny hampitombo ny isan’ny mpizahantany any an-toerana .