Archives quotidiennes: 7 septembre 2019

Fifidianana Kaominaly : taratasy firotsahan-kofidiana 31 no voarain’ny OVEC

0
6 andro mialohan’ny hikatonan’ny fandraisana ireo antontan-taratasy firotdahana ho kandidà amin’ny fifidianana Kaominaly dia antontan-taratasy firotsahana 31 hatreto no vaoarain’ny OVEC miisa 114 manerana ny Nosy, raha ny nambaran’ny CENI androany.

Mpianatra 15 : nahazo vatsim-pianarana hianatra any Sina

0
Avy amin’ny fiarahamiasa tamin’ny orinasa Sinoa iray sy ny fitondrana Malagasy, tamin’ny alalan’ny minisiteran’ny fanajariana ny tany, ny toeram-ponenana ary ny asa vaventy. Handranto fianarana mandritry ny 5 taona izy ireo ary hiverina hampiasa ny fahaizany eto Madagasikara. Namafisin’ny minisitra Hajo Andrianainarivelo fa tsy maintsy manaja ny fijerena ny sosialy tahak’izay avokoa ireo orinasa miasa eto Madagsikara. Fanadihadiana.

Fandraisana ny mpizaika : nilamina amin’ny ankapobeny

0
Efa saika tonga avokoa ireo mpino an’arivony avy amin’ny diosezy miisa 21, avy amin’ny faritra hanotrona ny lamesa lehibe iarahana amin’i Pape Francois eny amin’ny kianjan’i Soamandrakizay. Nilamina ny fandraisana sy ny fandaminana hatreto ary efa voahomana ihany koa ny toe-panahy amin’izany, hoy ireo mpizaika nanaovana fanadihadiana.

Nilamina tamin’ny ankapobeny ny fitsenana azy tamin’ny fomba ofisialy.

0
Ho fintininana aminao ao anatin'ity fanadihadiana manaraka ity izany nahatongavan’i Papa François eto Madagasikara izany.

Fahatongavan’ny Papa François : hentitra ny fitandroana ny filaminana

0
Hentitra ny fitandroana ny filaminana androany teny amin'ny lalana nolalovan'ny Pape François. Maro ireo mpitandron'ny filaminana nahetsika izay nifandrombonan'ny polisim-pirenena, ny zandarimaria ary ny tafika Malagasy.

Fitsenana ny Papa Ray Masina : tam-pinoana sy fifaliana no nandraisana azy

0
Hafaliana, feno finoana tanteraka no niandrasana sy nandraisan'ireo vahoaka maro tonga nitsena ny Papa Ray Masina ny tolakandro teo. Feno hipoka sy voarakotra loko mavo sy fotsy avokoa ny sisin-dalana rehetra nandalovan'ny Ray Masina.