mercredi 24 avril 2024

Archives quotidiennes: 8 septembre 2019

Edito du 7 sept 2019

0
« Hamafy fiadanana sy fanantenana », io no hafatra lehibe ho entin’i Papa François ho an’ny vahoaka Malagasy amin’izao fitsidihiny an’i Madagasikara izao. Famporisihina sy fankaherezana ny hafatra ho entiny saingy mila asa avy amin’ny mpino tsirairay ihany koa anefa ny hahatanteraka izany.

Papa François eto Madagasikara : noraisin’ny Filohan’ny Repoblika teny Iavoloha

0
Tontosa androany teny amin’ny lapan’Iavoloha ny fandraisana an’i Papa Ray Masina . Tamin’izany indrindra no nanamafisan’ny filohan’ny repoblikan’i Madagasikara ny fanamby sy ny toky nomeny , hampandroso an’i Madagasikara. Nizara 5 mazava kosa ny lahateny sy ny hafatra nomen’ny Papa androany. Ny mikasika ny fihavanana, ny ady amin’ny kolikoly, ny ady amin’ny fanapotehana ny tontolo iainana, ny fanomezana-danja ny fiarahamonim-pirenena ary farany ny fifanakalozan-kevitra amin’ny kristiana hafa finoana. Ho fintinina aminao ato anatin’ny fanadihadiana ny andinindin’izay.

MAHTP : mandalo fifaninanana ny fidirana ho mpiasam-panjakana

0
Tsy maintsy mandalo fifaninanana avokoa manomboka izao ny fidirana ho mpiasam-panjakana eo anivon’ny minisiteran’ny fanajariana ny tany, ny toeram-ponenana ary ny asa vaventy. Fanamafisana ny ady atao amin’ny kolikoly no isan’ny antony nandraisana izao fepetra izao, hoy ny minisitra tomponandraikitra.

Lahatenin’i Papa François : mitaky fahatongavan-tsaina

0
Mitaky fahatongavan-tsain'ny tsirairay ny lahatenin'i Papa Ray Masina androany teny Iavoloha hoy ireo mpanao politika nanatrika izany. Ny fampanjakana ny fihavanana araky ny nambaran'i Papa hatrany no tokony hamafisina ho fampandrosoana ny firenena.

Lahatenin’i Pape François : nitondra hafatra mafonja ho an’ny Malagasy

0
Hafatra mafonja no nentin'ny Pape François ho an'ny Malagasy tsy ankanavaka nandritra ny lahateny izay natao tamin'ity androany ity. Hitondra fanantenana sy fiovana amin'ny fampandehanan-draharaha eto amin'ny firenena ny lahateny izay nataony raha ny fanehoan-kevitr'ireo fiarahamonim-pirenena sy ireo nanatrika teny an-toerana. Fanadihadiana