samedi 27 avril 2024

Archives quotidiennes: 10 septembre 2019

Fanadinam-panjakana BEPC : nizotra araka ny tokony ho izy

0
Niatomboka androany Alatsinainy faha-09 septambra ka hifarana ny Alakamisy faha-12 septambra ho avy izao ny fanadinam-panjakana BEPC. Amin'ny ankapobeany, nizotra araka ny tokony ho izy ny fananadinana raha ny androany. Ny taranja mathematika sy ny taranja anglais no tena atahoran'ireo mpiadina, raha ny fanadihadiana natao.

Hafatry ny Papa Fransoa : « Aoka tsy hiolonolona isika… »

0
Mafonja ny hafatry ny Papa Ray Masina, ho an’ny Malagasy. Nahazo ny tandrify azy avokoa ny rehetra. Nasongadiny manokana ny tokony iainan’ny Malagasy indray ny tena « Fihavanana » ary notakiany koa ny hialan’ny rehetra amin’ny fitiavana-tena.

Fanaterana antontan-taratasy – OVEC : mbola ambany ny taham-pahavitrihana ho an’ireo kandidà

0
3 Andro mialohan'ny hikaton'ny fahafahana manatitra ny antotan-taratasy firotsahan-kofidiana ho ben'ny tanàna sy ho mpanolo-tsaina eny anivon'ny OVEC, mbola ambany ny taham-pahavitrihana ho an'ireo kandidà, raha ny fanadihadiana natao androany.

Papa Fransoa : hody any Vatican Roma rahampitso

0
Namarana ny fitsidihin’ny Papa François an’i Madagasikara ny fitsidihin’ireo pretra, relijiozy sy séminarista tetsy amin’ny kolejy masindahy misely omaly. Tany Nosy Maorisy kosa no namaranany ny fistidihana taty amin’ny ranomasimbe indiana. Rahampitso 10 Septambra no hanainga ho any Roma ny tenany. Azon’ny Malagasy atao veloma izy amin’ny fanadalovany eny amin’ny lalana mihazo ny seranam-piaramanidina Ivato.

Nivarotra sokatra tao amin’ny tambazotran-tserasera : naiditra am-ponja vonjimaika

0
Olona iray nivarotra sokatra tao anaty tambazotran-tserasera no saron'ny mpitondrao filaminana ka niakatra fampanoavana androany. Naiditra am-ponja avy hatrany izy ka ny faha 8 ny volana Oktobra ho avy izao ny fitsarana azy.