vendredi 26 avril 2024

Archives quotidiennes: 12 septembre 2019

« Stationnement » Ambodivona : hafindra eny amin’ny « Gare Routière Maki » ny 20 septambra

0
Nivoaka ny taratasy fampahafantarana ny mpandeha fa manomboka ny 20 Septambra ho avy izao eny amin'ny Gare Routière Maki avokoa ny fiaongana sy ny fahatongavana ho an'ireo mpandeha ny zotra RN 2 sy RN 5. Ampy handraisana ireo Kaoperativa ireo ny Gare Routière Maki hoy ny tomponandraikitra ary efa vonona ny toerana.

Fanapoahana vatobe ao Tsarahasina : hanomboka amin’ny herinandro ho avy izao

0
Mampihorohoro ny mponina ao amin'ny fokotany Tsarahasina sy ny manodidina ny fisian'ny vatobe iray izay atahorana hitera-doza. Androany, nidina nijery ny zava-misy teny an-toerana ny ekipan'ny BNGRC niaraka tamin'ireo teknisianina.

Fahavitsian’ny kandidà – Fifidianana Kaominaly : fomban-javatra ihany

0
24 ora latsaka tsy hikatonan’ny fandraisana ireo antontan-taratasy firotsahan-kofidina amin’ny fifidianana Kaominaly, manodidina ny 10% ny kaominina manerana ny Nosy ihany no mbola nisy kandidà mpifaninana nanatitra ny antontan-taratasy firotsahany. Fomban-javatra efa mpitranga teto amin’ny firenena ny toy izany, hoy ny mpahay lalàna nanaovana fanadihadiana, ka tsy tokony hatao hanaitra. Fanampim-panazavana.

Fametrahana GPS amin’ny Taxi-brousse : RN2 sy RN 5, hatomboka ny volana oktobra izao

0
Taorian'ny taxibe eto Antananarivo Renivohitra, hatomboka ny faran'ny volana Septambra ho avy izao ny fametrahana GPS amin'ireo taxibrousse mampiasa ny lalam-pirenena faha -2 sy ny lalam-pirenena faha -5. Tanjona ny hampihena ny lozam-pifamoivoizana sy ny firosoana amin'ny tsara kokoa hatrany eo amin'ny sehatry ny fitaterana.

Fampiasana tsiambaratelom-panadihadiana : vehivavy 2 naiditra am-ponja vonjimaika

0
Ankoatra ireo vehivavy miisa 2 nampidirina am-ponja vonjimaika, taorian’ny fandalovany teny amin’ny PAC tamin’ny faran’ny herinandro teo, noho ny fampiasana sy famoahana tsiambaratelom-panadihadiana teny anivon’ny SAMIFIN. Polisy iray miasa eo anivon’ity sampan-draharaha miady amin’ny famatsiam-bola ity ihany koa no arahi-maso ankehitriny. Fanampim-panazavana.