Archives quotidiennes: 13 septembre 2019

Fiaraha-miasa Chine – Madagascar : ho hamafisina hatrany

0
Ho hamafisina hatrany ny fiarahamiasan’i Madagasikara sy Chine, araky ny nambaran’ny masoivohon’i Chine eto Madagasikara androany. Manaporofo ny fanohanan’i Sina an’i Madagasikara ny hetsika sy tetikasa samihafa notanterahana teto amin’ny firenena. Eo ihany koa ireo fiofanana maro nomena, toa ny fiofanana nandraisan’ireo mpanao gazety anjara. Fanadihadiana.

Kandida Antananarivo Renivohitra : i Naina ANDRIANTSITOHAINA no natolotry ny IRD

0
Taorian'ny fanambarana tamin'ny fomba ofisialy, ny tolakandro teo, no nahafantarana fa i Andriamatoa Naina ANDRIANTSITOHAINA no kandida natolotry ny vondrona IRD ho kandida ben'ny tananan'Antananarivo renivohitra. Ity farany izay nanamafy ny fahavononany hitondra ny tananan'Antananarivo amin'ny fivoarana sy ny fampandrosoana mifandraika amin'ny vina napetraky ny filohan'ny Repoblika.

Fifidianana Ben’ny Tanàna : nifanarana androany ny fanaterana antontan-taratasy

0
Nifanarana androany ny fanaterana antontan-taratasy firotsahana hofidiana ho ben'ny tanàna sy mpanolon-tsain'ny tanàna teny amin'ny OVEC rehetra manerana ny nosy. Raha ny zava-nisy, nisafidy ny andro farany avokoa ny ankamaroan'ireo kandidà vao nametraka ireo antontan-taratasy firotsahana. Fanampim-panazavana.

RAVALOMANANA Marc : nihemotra tamin’ny ora farany

0
Raha nankalazaina tamin’ny tambanjotran-tserasera ny fiandohan’ity herinandro ity fa kandidà ho Ben’ny Tanànan’Antananarivo Renivohitra ny Filoha teo aloha RAVALOMANANA Marc, dia fantatra fa nihemotra tamin’ny ora farany ny tenany. Kandidà hafa no natolotry ny antoko TIM hifaninana ho Ben’ny Tanàna eto Antananarivo Renivohitra. Fanampim-panazavana.

Fanorenana fotodrafitr’asa : tsy hisy intsony ny gaboraraka sy ny kolikoly

0
Notanterahina androany ny atrikasa fankatoavana ny fenitra nasionaly amin'ny fanorenana fotodrafitr'asa maharitra, afaka miaritra ireo loza voajanahary eto Madagasikara. Tsy hisy intsony manoloana izany, ny gaboraraka sy ny kolikoly, amin'ny fanarenana fotodrafitrasa tsy mifanaraka amin'ny tetibidiny, hoy ny minisitra tomponandriakitra.