Archives quotidiennes: 14 septembre 2019

CENI – OVEC : nisy kandidà Ben’ny Tanàna avokoa ny kaominina 1 695

0
Nanamarika ny mpampaka-tenin’ny CENI io takariva io fa nisy kandidà Ben’ny Tanànana avokoa ny kaominina miisa 1 695 manerana ny Nosy taorian’ny fikatonan’ny OVEC omaly. Kaominina 2 kosa no tsy nisy kandidà mpanolontsaina. Fanampim-panazavana.

Tsenam-baro-panjakana : hentitra ny fanaraha-maso

0
Hentitra ny fanaraha-maso amin’ny fanomezana tsenam-baro-panjakana, eny anivon’ny minisitera tsirairay. Ho an’ny eo anivon’ny minisiteran’ny fanajariana ny tany , ny toeram-ponenana sy ny asa vaventy, ankoatry ny fanarahamaso ny kalitaon’ny asa vita, namafisina ihany koa ny fanarahamaso mikasika ny dingana ahazoan’ny orinasa ny asa. Fanadihadiana.

Ivon-toeram-piofanana sy fanofanana Ankadinandriana : notolorana mari-pankasitrahana ireo mpiofana miisa 59

0
Nifarana androany ny fiofanana informatika ho an'ireo mpiofana miisa 59 teto amin'ny kaominina Ankadinandriana,fihofanana izay naharitra 4 andro ary niaraha niasa tamin'ny fikambanana PIFTIC.

Filoha Andry RAJOELINA : voafidy ho tompondakan’ny fanabeazana ara-batana aty Afrika

0
Nofidin'ireo minisitry ny fanatanjahantena miisa 18 aty Afrika ho tompondakan'ny fanabeazana ara-batana sy ho mpitarika ny drafitrasa « Kazan » ny filohampirenena Andry Rajoelina nandritra ny fivoriana rezionalin'ireo minisitra afrikanin’ny fanatanjahantena. Vonona ho kapiteny, ho filamatra sy hitarika amin'ny fampandrosoana an'i Afrika ny filoha raha ny nambarany.

Tsiambaratelon’ny fanadihadiana : ho saziana araky ny lalàna izay mandika izany

0
Handraisana fepetra hentitra avokoa ireo mpiasa eo anivon’ny Samifin minia mandika lalàna araky ny namafisin’ny tale jeneralin’ny SAMIFIN androany, taorian’ny raharaha nahavoarohirohy mpiasan’ny Samifin ho nampiasa sy tsy nanaja ny tsiambaratelom-panadihadiana. Namafisiny fa tsy misy ny fanavakavahana amin’ny fapiharana ny lalàna izay.