mercredi 24 avril 2024

Archives quotidiennes: 17 septembre 2019

Antoko politika : maro no tsy mandray anjara amin’ny fifidianana

0
Maro amin'ireo antoko politika mijoro eto amn'ny firenena no tsy mandray anjara amin’ny fifidianana ankehitriny. Tsy fantatra mazava noho izany ny antom-pisian'izy ireny? Ilaina ny fandraisana fepetra mahakasika azy ireny, raha ny fanadihadiana natao.

Fampiofanana ho « Assistant d’Architecte » : hanomboka etsy amin’ny IST Ampasampito

0
Isany lalam-piofanana vitsy mpanao eto Madagasikara ny lalam-piofanana mamoaka architecte sy assistant architecte. Vokatry ny fiarahamiasan'ny fanjakana amin'ny architecte belge , hanomboka amin'ity taom-pianarana vaovao ity etsy amin'ny IST Ampasampito ny lalam-piofanana ahatonga ho assistant d’ architecte. Mpianatra manodidina ny 20 no hisitraka izany.

MAHTP : omena vahana ny fiaraha-miasa amin’ny sehatra tsy miankina

0
Nihaona tamin’ny minisitry ny MAHTP androany ireo mpikambana eo anivon’ny FOM, na ny fikambanan’ny Orinasa Malagasy. Ilaina ny fandraisan’anjaran’ny orinasa Malagasy amin’ny fanatanterahana ny asa ho an’ny fampandrosoana. Fanampim-panazavana.

Fifidianana kaominaly : hivoka ny faha-24 septambra ny lisitr’ireo kandidà

0
Havoakan’ny CENI amin’ny faha 24 septambra izao ny lisitr’ireo kandidà ofisialy, ary didian'ny lalàna ihany koa ireo kandidà amin'ny fanendrena ny mpitam-bolan'ny fampielezan-kevitra.

PAC : niditra amin’ny andiany faharoa

0
Nanomboka androany ny andiany faharoa amin'ny fampankarana fampanoavana eny anivon’ny PAC na ny Pôle Anti-Corruption, ireo raharaha momba ny kolikoly mahavoarohirohy olontsotra, mpandraharaha, tomponandraikitra ambony sy ireo ambara ho trondro vaventy.

Lakandranon’i Pangalana : vahoaka maheriny 3 tapitrisa no hisitraka ny fanajariana

0
Fantatra nandritra ny fanombohana ny asa fanajarina ny lakandranon’i Pangalana nataon’ny Filohan’ny Repoblika tany Toamasina ny faran’ny herinandro teo fa vahoaka maherin’ny 3 tapitrisa no hisitraka tombotsoa maro aorian’ny fanajariana azy.