vendredi 26 avril 2024

Archives quotidiennes: 18 septembre 2019

Fifidianana kaominaly : miandry ny lisitry ny kandidà ofisialy ny rehetra

0
Aorian'ny famoahan'ny CENI ny lisitra ofisialy, mazava ny voalazan'ny lalàm-panorenana amin'ny andininy faha-64 fa tsy maintsy mametra-pialana ny mpikambana eo anivonny governemanta nirotsaka hofidina. Tsy voatery mametra-pialana kosa ankilany ny solombavambahoaka nirotsaka ho fidiana ho ben'ny tanàna.

« Direction Générale du Fonds National Foncier » : hamahàna ny olana momba ny fananan-tany

0
Hamafisina amin’ny alalan’ny DGFNF na ny filan-kevi-pitantanana ny tahirimbolam-pirenena nasionaly eo anivon'ny sehatry ny fananantany, ny fanatanterahana ny fanavaozana ny fitantanan-draharaha mahakasika ny fananantany eto Madagasikara. Tanjona ny hampivoarana ny tontolon’ny fananantany raha ny fanazavana.

Lalana – Antananarivo : mitohy ny fanamboarana

0
Anatin’ny fanatsarana ny lalana eto Antananarivo renivohitra, toerana maro no iharan’ny fahatapahan-dalana amin’izao fotoana izao. Ny mikasika izay indray no ho entina aminao ato anatin’ity fanadihadiana ity.

« Forum Wave Madagascar » : fanohitry ny fampandrosoana maharitra ny fizahantany

0
Nisokatra androany tetsy amin’ny CCI Ivato ny « Forum Wave Madagascar », fihaonambe iraisam-pirenena ho amin’ny fampiasam-bola amin’ny fizahantany sy ny fitaterana, izay andraisana mpandraharaha iraisam-pirenena anjara. Nambaran’ny Filohan’ny Repoblika RAJOELINA Andry nandritra ny fandraisany fitenenana, fa fanohitra lehibe ho an’ny fampandrosoana maharitra ny fizahantany.