Archives quotidiennes: 19 septembre 2019

Festival SOBAHYA 2019 : niavaka ny andiany faha-15

0
Manana ny lanjany manokana ary miavaka eo amin'ny hetsika ara-koltoraly fanao eto Madagasikara ny Festival Sobahya izay notanterahina nandritry ny 4 andro naomboka ny faha 12 hatramin'ny faha 15 septambra tany Katsepy. Tonga nanatrika izany avokoa ireo vahoaka maro avy amin'ny lafy valon'ny nosy ho an'ny andiany faha 15 ity.

Antohamadinika : naato avy hatrany ny famefena tsy ara-dalàna

0
Naato avy hatrany ny famefena tany tsy ara-dalàna manamorina ny lakandranon’Andriantany etsy Antohamadinika Antaniavo taorian’ny fizahana nataon’ny polisin’ny fanajariana androany. Ankoatran’ny fanorenana manamorina ny lakandrano izay voararan’ny lalàna mifehy ny fanajariana mazava, isany nampiatona ny asa ny tsy fananana ny taratasy fahazoan-dalàna.

« Forum Wave Madagascar » : mpandraharaha maro no hiara-hiasa amin’i Madagasikara

0
Mpandrahara maro no vonona hiara-hiasa amin’i Madagasikara nandritra ny « Forum Wave Madagascar » na ny fihaonambe iraisampirenena ho an’ny fampiasam-bola amin’ny sehatry ny fizahantany sy ny fitaterana. Fifanaovan-tsoniam-piarahamiasa maro no tontosa avy hatrany ka isany goavana amin’izany ny mpampiasa vola avy any DUBAI.

TANAMASOANDRO : miroso amin’ny dingana fanatanterahana azy ny fitondram-panjakana

0
Miroso amin’izao fotoana izao ny dingana fanatanterahana ny « Tanamasoandro », izay tafiditra amin’ny fampanantenan’ny Filohan’ny Repoblika ho an’ny vahoaka Malagasy. Androany, delegasiona Sinoa 21 avy amin’ny fikambanana «  Organisation Mondiale de l’Economie Solidaire et Sociale » no nitsidika ny toerana hanatanterahana ny tetikasa. Nanamafisin’izy ireo tamin’izany ny fahavononana eo amin’ny lafiny ara-bola sy ara-pitaovana ilaina rehetra amin’ny fanatontosana ny asa.

Teatra Malagasy : tsy ampy ny toerana sy trano fanaovana fampisehoana

0
Tsy ampy ankehitriny ny trano sy ny toerana fanaovana fampisehoana Teatra eto Madagasikara, hoy ireo mpisehatra amin’izany. Olana izay mampikatso ny firoboroboan’ny tontolon’ny Teatra Malagasy. Mitaky ny hijerena vahaolana manoloana io ireo mpanakanto. Fanadihadiana.