vendredi 26 avril 2024

Archives quotidiennes: 20 septembre 2019

Voka-panadinana – Antananarivo Renivohitra : 36,93%

0
Nivaly androany tolakandro ny voka-panadinana BEPC teto amin’ny CISCO Antananarivo Renivohitra. 36,93% ny mpiadina no afaka tamin’ity taona 2019 ity raha 48,81% izany tamin’ny taon-dasa. Saiky nihena avokoa ny taha-pahafahana tamin’ity taona 2019 ity amin’ireo CISCO manerana ny Nosy raha ny fanadihadiana natao.

Filankevitry ny minisitra : masoivoho 4 no voatendry

0
Nisongadina tao anatin'ny filankevitry ny minisitra izay natao omaly Alakamisy ny fanendrena ireo masoivoho hisolo tena an'i Madagasikara any ivelany. Teo ihany koa ny fanendrena vonjimaika ny praiminisitra ho eo amin'ny toeran'ny minisitry ny raharaham-bahiny. Teo ihany koa ireo fanendrena tomponandraiki-panjakana maro samihafa sy ny fanafoanana didy.

Tantsambon’ny sambo Flying : naverina any am-ponja izy 15 lahy

0
Nahemotry ny Fitsarana ao Toamasina amin’ny faha-16 oktobra ho avy izao ny fitsarana ireo tantsambon’ny sambo Flying 15 lahy tokony ho notontosaina omaly. Naverina any am-ponja miandry io fotoam-pitsarana io ireto tatsambo teratany sinoa ireto noho izany. Fanampim-panazavana.