vendredi 29 mars 2024

Archives quotidiennes: 24 septembre 2019

EPP manara-penitra Beandrarezona : ho vitaina ao anatin’ny 60 andro

0
Napetraka tamin'ny fomba ofisialy ny vatofototra hananganana ny EPP manara-penitra ao amin'ny Koaminina Beandrarezona. Fananganana fotodrafitr'asa izay tafiditra ao anatin'ny Politika ankapoben'ny fanjakana amin'ny fanatsarana ny tontolon'ny fampianarana sy ny fanabeazana, amin'ny alalan'ny ministera tomponandraikitra.

Fanamboaran-dalana Bealanana : manomboka ny asa

0
Manomboka ny asa fanamboaran-dalana any Bealanana amin'izao fotoana izao araky ny fampanantenana nataon'ny filohan'ny Repoblika . Ny farany herinandro teo no tonga nametraka ny vato fehizoro ny minisitry ny fanajariana ny tany, ny asa vaventy, ary ny toeram-ponenana.

Fifidianana kaominaly : efa nisy nanomboka ny fisarihana laharana

0
Laharana faha efatra ao anaty bileta tokana no misy ny kandidà avy amin'ny IRK Naina ANDRIANTSITOHAINA mandritra ny fifidianana ben'ny tanàna ho avy izao, tontosa io maraina io ny antsapaka teny amin'ny foiben'ny OVEC Antananarivo Renivohitra teny Nanisana.

Fanatsarana sisin-dalana : miverina amin’ny CUA ny vato tamin’ny sisin-dalana sy ny « Pavé » noesorina

0
Vita avokoa amin’izao fotoana izao ny ampahany betsaka amin’ny fanatsarana ny sisin-dalana tafiditra anatin’ny tetikasa fanamboarana ny lalana mivoaka amin’ny RN1, RN2, RN3, RN4, RN7, eo ihany koa ny lalana eny Itaosy sy Avarabohitra. Miverina amin’ny kaominina Antananarivo ankilany ireo vato tamin’ny sisin-dalana sy ny pavé nohesorina rehetra teto Antananarivo, ary eny Antsakaviro no hitoeran’izay.