Archives quotidiennes: 26 septembre 2019

Baccalauréat 2019 : efa tomombana avokoa ny fikarakarana

0
Andro vitsy mialohan'ny higadonan'ny fanadinam-panjakana baccalaureat, tomombana ny fikarakarana rehetra hoy ny eo anivon'ny direction des examens nationaux Antananarivo androany teny Ankatso. Maro ireo fepetra noraisina tamin'ity taona ity hanatsarana ny fomba fiasa.

CENI : nanao tatitra mahakasika ny fifidianana kaominaly

0
Tontosa androany ny tatitra nataon'ny CENI mahakasika ireo antontanisan' ny filatsahan-kofidiana ho ben’ny tanàna sy mpanolotsain’ny tanàna mandritra ny fifidianana 27 novambra izao. Miroso amin'ny fifidianana toy ny kaominina rehetra ihany koa ankilany ireo kaominina tsy misy kandidà afa-tsy kandidà tokana raha ny fanazavan'i CENI.

Fiaram-panjakana : hamoraina ny fanaovana fitsirihana teknika

0
Tokony hanatanteraka fitsirihana teknika avokoa ny fiarakodiam-panjakana eto Madagasikara. Hamoraina ny fahafahan’ny fiarakodiam-panjakana manao izany ka tanjona ny fisorohana ny loza mety hitranga.

Fampiakarana ny vidin-jiro : tokony hihatra amin’ny rehetra, hoy ny CREM

0
Tsy azo ihodivirana hanarenana ny orinasa JIRAMA ny fampiakarana ny vidin’ny herinaratra araka ny soso-kevitra naroson’ny banky iraisampirenena omaly. Niombon-kevitra amin’izany ny faribolan’ny mpandalina ny toekarena eto Madagasikara, saingy namafisiny ny tokony hampiharana izany ho an’ny mpanjifa tsy ankanavaka.