vendredi 29 mars 2024
Accueil 2019 septembre

Archives mensuelles: septembre 2019

WORLD CLEAN UP DAY : nonontosaina androany

0
Nanatanteraka World Clean up Day, na andro natokana anadiovana ny tanàna ny delegasiona teo anivon’ny vondrona Eoropeana eto Madagasikara androany. Tanjona amin’ny hetsika ny hisintomana ny sain’ny rehetra amin’ny maha zava-dehibe ny fahadiovana izay. Teo Marais Masay kosa no nanatontosana izany.

Distrika Befandriana Avaratra : nahazo sampandraharaha fananan-tany vaovao

0
Nahazo sampandraharaha fananan-tany vaovao ny distrika Befandriana Avaratra. Entina hanakaikezana ny vahoaka ary hialana amin’ny olan’ny fananantany no nanomezan’ny fitondram-panjakana izany. Ny Sabotsy 20 septambra teo no nanatontosana ny fitokanana izany.

« Cheval de bois vita gasy » : tovolahy 13 taona no mamorona azy

0
Entina aminao ato anatin’ny fanadihadiana manaraka kosa ny mikasika ny asa famoronana miavaka iray ataon’I Manou. Tovolahy kely 13 taona saingy mahavita manamboatra « cheval de bois vita gasy. » raha ny anarana omeny ny famoronany.

« ABE Initiative » : mitohy ny fanomezana vatsim-pianarana any Japon

0
Miditra amin’ny andiany faha-7 ny fanomezana vatsim-pianarana tanora malagasy hiofana any Japon mandritra ny 2 hatrami’nny 3 taona anatin’ny fandaharan’asa ABE INITIATIVE. 2 no nahazo izany tamin’ity andiany ity. Ankoatran’ny vatsim-pianarana, mampiavaka ny ABE INITIATIVE ny fisitrahana fizaharan’asa, izay mety ahazoana asa any Japon avy hatrany.

Fiakaran’ny vidin’ny menaka : mitohy ny fanarahamaso

0
Niaka- bidy hatrany ny menaka fihinana tao anatin’ny volana vitsy. Tafiakatra hatramin’ny 500 Ariary isaky ny litatra ny fisondrotana anivon’ny mpaninjara. Ny fihenan’ny fanafarana nanomboka ny volana jolay sy ny fiakaran’ny vidina menaka eo amin’ny tsena iraisampirenena no antony, hoy ny minisiteran’ny varotra sy ny indostria. Hitohy hatrany manoloana io ny fanarahamaso samihafa.

BECP – Analamanga : ambany ny tahan’ny afa-panadinana

0
Nihena raha noharina ny taon-dasa ny tahan’ny afa-panadinana BEPC teto amin’ny faritra Analamanga tamin’ity taona ity. Etsy ankilany, tany amin’ny faritra

Fifidianana : hivoaka ny torolalana hampihena ny tsy fanekena voka-pifidianana

0
Hivoaka ny faran'ny volana izao ny torolalana hampihena ny tsy fanekena voka-pifidianana novokarin'ny fiarahamonim-pirenena mpanara-maso ny fifidianana eto Madagasikara sy ny ANJA na ny "Association Nationale pour la Justice Administrative". Nifarana androany ny atrikasa famolavolana izany.

Voka-panadinana – Antananarivo Renivohitra : 36,93%

0
Nivaly androany tolakandro ny voka-panadinana BEPC teto amin’ny CISCO Antananarivo Renivohitra. 36,93% ny mpiadina no afaka tamin’ity taona 2019 ity raha 48,81% izany tamin’ny taon-dasa. Saiky nihena avokoa ny taha-pahafahana tamin’ity taona 2019 ity amin’ireo CISCO manerana ny Nosy raha ny fanadihadiana natao.

Filankevitry ny minisitra : masoivoho 4 no voatendry

0
Nisongadina tao anatin'ny filankevitry ny minisitra izay natao omaly Alakamisy ny fanendrena ireo masoivoho hisolo tena an'i Madagasikara any ivelany. Teo ihany koa ny fanendrena vonjimaika ny praiminisitra ho eo amin'ny toeran'ny minisitry ny raharaham-bahiny. Teo ihany koa ireo fanendrena tomponandraiki-panjakana maro samihafa sy ny fanafoanana didy.

Tantsambon’ny sambo Flying : naverina any am-ponja izy 15 lahy

0
Nahemotry ny Fitsarana ao Toamasina amin’ny faha-16 oktobra ho avy izao ny fitsarana ireo tantsambon’ny sambo Flying 15 lahy tokony ho notontosaina omaly. Naverina any am-ponja miandry io fotoam-pitsarana io ireto tatsambo teratany sinoa ireto noho izany. Fanampim-panazavana.