Archives quotidiennes: 1 octobre 2019

Andro voalohan’ny fanadinana Baccalauréat : nilamina tamin’ny ankapobeny

0
Nilamina tamin’ny ankapobeny ny andro voalohany amin’ny fanadinana baccalauréat raha ho an’ny teto Antananarivo manokana. Nidina ifotony ny tomponandraikitra avy amin’ny Oniversiten’Antananarivo ny maraina teo nitety ireo ivon-toeram-panadinana.

Tanjombato : saron’ny zandary ilay trano manao ny « Prostitution sur webcam »

0
Tovovavy miisa 9 no sarona niaraka tamin'ilay teratany malagasy tompon'antoka amin'ny fampiasa tanora manao fihetsika mamoafady amin'ny alalàn'ny Aterineto teny Tanjombato, androany no niakatra fitsarana ity raharaha ity.

Vilany vita Malagasy : hisy fepetra horaisin’ny Minisiteran’ny varotra

0
Manoloana ny fampitsaharana ny fahafahana mivarotra ny fitaovan-dakozia vita malagasy ,toy ny vilany any « La Réunion ». Hiara-hiasa amin’ny « BUREAU DES NORMES » ny MICA hijerena ny TRACABILITE ny akora ampiasaina amin’ny fanamboarana vilana eny ifotony.

Tetikasa Tanamasoandro : hiteraka asa maherin’ny 100 000

0
Tsy maintsy hirosoana ny fanatantarahana ny tetikasan’ny filohampirenena Tanamasoandro. Isan’ny maha-zava-dehibe ity tetikasa ity ny famoronana asa maherin’ny 100 000. Hisy ny asa haterak’io tetikasa io, ary laharam-pahamehana ireo mponina amin’ireo kaominina voakasika. Fanadihadiana