vendredi 19 avril 2024

Archives quotidiennes: 2 octobre 2019

Minisitra – MAE : tontosa androany ny famindram-pahefana

0
Ny praiminisitra Ntsay Christian no notendren’ny Filohan’ny Repoblika ho minisitry ny raharaham-bahiny mpisolo toerana. Tontosa androany ny famindram-pahefany teo aminy sy ny minisitra teo aloha Naina Andriatsitohaina.

3ème Forum National Urbain : hotontosaina ny faha-07, 08 , 09 oktobra

0
Hotontosaina ny faha-7, 8 , 9 ny volana oktobra izao ao amin’ny village Voara Andohatapenaka ny 3eme Forum National Urbain, izay hiresahana ny tontolon’ny fampivoarana ny tanan-dehibe. Mpisehatra maherin’ny 750 no handray anjara amin’izany. Hisy aorian’ny fikaonan-doha lehibe ity ny fanapahan-kevitra sy fepetra horaisina momba ny fanatsarana ny tanan-dehibe.

MEF – MAHTP : manaiky ny fanatsarana ny fitantanana ny Vondrona Eropeana

0
Resy lahatra tamin’ny fanatsarana ny fitantanana fotodrafitrasa sy fanatanterahana tetikasa nataon’ny fitondram-panjakana Malagasy ny vondrona Eoropeana, ka nanolotra 32 miliara Ariary, ny governemanta Malagasy, izay nosoniavina androany.

Governora Faritra Analamanga : tontosa androany ny famindram-pahefana

0
Fotoam-pivavahana narahina famindram-pahefana no nanombohan'ny governoran'ny faritra Analamanga ny fandraisany ny fitantanana androany. Ny fanatanterahana ny veliranon'ny filoha no laharam-pahamehana, raha ny nambaran'ity governora vaovao ity.