Archives quotidiennes: 3 octobre 2019

Baccalauréat : voasambotra ny tambazotra tompon’antoka tamin’ny famoahana laza adina

0
Voasambotra ny tambazotra tompon’antoka tamin’ny famoahana ny laza adina ho an’ny sokajy A ny baccalurét 2019, hoy ny minisitry ny fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa androany. Nandraisana fepetra avy hatrany ihany koa ny tsy fahatomombanana nandritra ny fanadinam-panjakana, toy ny teny amin’ny LTP Alarobia.

TANAMASOANDRO : honerana amin’ny lafiny rehetra ireo mponina voakasika

0
Horaisin’ny fanjakana an-tanana avokoa ny mikasika ireo tompona tany sy tanimbary ary ireo manana asa voakitikitiky ny fananganana ny Tanamasoandro, amin’ireo kaominina voakasika. Hanomboka ny fanonerana vola azy ireo, ankoatr’izay laharampahamehana ihany koa ny fanomezana asa sy ny fisitrahan’izy ireo trano fonenana amin’ny fanorenana ho atao. Efa miroso ny dingana rehetra amin’izany ankehitriny.