samedi 27 avril 2024

Archives quotidiennes: 9 octobre 2019

Governora Analamanga

0
Nidina nijery ifotony ny asa fanamboarana ny lakandrano eny amin’ny fokontany Besarety Antananarivo Renivohitra firaisana faha-3 androany ny governoran’Analamanga RASOAMAROMAKA Hery, noho iny faritra iny dibo-drano foana rehefa fotoannn’ny orana.

Forum 2ème jour

0
Misokatra amin’ny fifanantonana sy ny fifampiresahana rehetra ny eo anivon’ny minisiteran’ny fanajariana ny tany, ny toeram-ponenana ary ny asa vaventy, manoloana ny raharaha fananganana ny Tanamasoandro sy ireo tetikasa hafa hotontosaina ; araky ny nambaran’ny tomponandraikitra androany, nandritry ny andro faharoan’ny 3ème Forum National Urbain, tontosaina etsy amin’ny Village Voara Andohatapenaka. Nisy androany ny famelabelaran-kevitra narahina adihevitra, nandraisan’anjaran’ireo mpisehatra maro anjara. Lohahevitra maro no nojerena nandritra izay, isan’izany ny fananganana trano fonenana an-tanan-dehibe.

Descente Apipa

0
Nidina tao amin’ny fokontany Anosibe Zaivola, ao amin’ny boriboritany faha-6, izay voakasiky ny tetikasa Tana-Masoandro ny maraina teo ny tale jeneralin’ny APIPA. Tamin’izany no nanazavana ny fizotry ny tetikasa sy ny fanonerana hatao amin’ireo izay voakasika.