vendredi 29 mars 2024

Archives quotidiennes: 10 octobre 2019

3ème Forum National Urbain : tsara ny vokatra

0
Nisy ny fifanaovan-tsoniam-piaraha-miasa 2 ho an’ny tetikasa Tana masoandro androany nandritry ny famaranana ny Fikaonan-doha nasionaly momba ny tanàn-dehibe. Nampiavaka ity andiany faha-3 ity ny fifandraisan’ny fikaonan-doha amin’ny fanatanterahana ny vina IEM sy ny politika ankapoben’ny fanjakana. Namafisin’ny minisitry ny fanajariana ny tany, ny toeram-ponenana ary ny asa vaventy fa tsy maintsy ho vita araky ny nambaran’ny Filohan’ny Repoblika ireo fananganana fotodrafitrasa samihafa, isan’izany ny Tanamasoandro.

2è session Baccalauréat : milamina ny famolavolana ny laza adina

0
Nanomboka omaly ny famolavolana ny laza adina amin’ny 2è session’ny bakalorea 2019. Milamina ny famolavolana izany raha ny fanazavana azo tamin’ny tomponandraikitra eo anivon’ny Minisiteran’ny fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa. Miankina amin’izay raha ny fanazavana ny mahapanan-danja ny diplaoma.

3ème Forum National Urbain : vonona ny hanohana ny fanatanterahana tetikasa ireo mpamatsy vola

0
Vonona ny hanohana amin’ny fanatanterahana ny tetikasam-panjakana ireo mpamatsy vola vahiny, araky ny nivoitra androany, nandritry ny fihaonana an-databatra boribory niarahan’ny teo anivon’ny minisiteran’ny fanajariana ny tany, ny toeram-ponenana ary ny asa vaventy, sy ireo mpamatsy vola maro.

Fanatanterahana ny tetikasa Tana-Masoandro : mizotra araka ny tokony ho izy

0
Mizotra araka ny tokony ho izy amin’izao fotoana izao ny fanatanterahana ny tetikasa Tana-Masoandro. Androany, nihaona tamin’ireo tomponandraikitry ny tetikasa ireo tompon-tany, izay resy lahatra fa hivarotra ny tanin’izy ireo amin’ny fanjakana.