Archives quotidiennes: 12 octobre 2019

Kaominina Ankadinandriana : manjaka ny tsy fandriampahalemana

0
kaominina mbola anjakan'ny tsy fandriampahalemana ny kaominin'Ankadinandriana,isan'izany ny fisian'ireo tambazotra mpangalatra omby izay monina eny an-toerana. Velontaraina ny mponina eny an-toerana amin'ny tokony ijerena ifotony ny olan'izy ireo.

MENETP – UNESCO : hiara-hisalahy amin’ny fampananan’asa ny tanora

0
Hiara-hisalahy manomboka izao ny minisiteran’ny fanabeazam-pirenena, ny fampiofanana ara-teknika sy araka asa sy ny GROUPEMENT DES ENTREPRISES FRANCHES ET PARTENAIRES. Tanjona ny hampitombona ny tanora Malagasy mahafehy ny taranja teknika, fa ihany koa hamahana ny olan’ny tsy fananan’asa eto Madagasikara.

Voka-panadinana bakalorea : tokony hivoaka ny faha-19 oktobra ho avy izao

0
Tsy maintsy ezahana tratrarina ny datin’ny faha-19 oktobra hamoahana ny voka-panadinana bakalorea ho an’ny taona 2019. Miazakazaka ny asa arak’izany ka nirosoana avy hatrany fanamarinana sy ny fampidirana ny naoty anatin’ny solosaina taorian’ny fitsarana ny taratasim-panadinana.

TANAMASOANDRO : nihaonana tamin’ny mponina ny minisitry ny MAHTP sy ny MAEP

0
Nidina nijery ifotony teny amin’ny toerana hanantanterahana ny Tanamasoandro androany ny minisitry ny fanajariana ny tany, ny toeram-ponenana ary ny asa vaventy, sy ny minisitry ny fambolena, ny fiompiana ary ny jono. Ankoatry ny fijerena ny fizotry ny fiatombohan’ny asa, nanantona ireo mponina eny an-toerana ihany koa izy ireo, nandray ny hetahetan’ny vahoaka ary nanamafy ny fijerena vahaolana maharitra ho an’ny mponina voakasiky ny tetikasa.