vendredi 29 mars 2024

Archives quotidiennes: 17 octobre 2019

Fivoriana arapotoana : hatsangana ny « Commission de levée de l’immunité parlementaire »

0
Tsy maintsy hatsangana mandritra ny fivoriana arapotoanan’ny solombavambahoaka amin’izao fotoana ny COMMISSION DE LEVIER DE L’IMMUNITE PARLEMANTAIRE, hisahana ny satan’ny solombavambahoaka manana raharaham-pitsarana. Solombavambahoaka 15 avy amin’ny ankolafin-kery samihafa no handrafitra izany.

Kaoperativa – Ambatondrazaka : nisitraka fanampiana avy amin’ny fitondram-panjakana

0
Koperativa mamorona milina ilaina @famokarana ambanivohitra iray ao Ambatondrazaka no nahazo fanohanana avy amin’ny Filohan’ny Repoblika Andry Rajoelina, nandritra ny fandalovany tany an-toerana ny fiandoahan’ity herinandro ity. Isany nandray anjara tamin’ny tetikasa Fihariana ny Koperativa Haivy Lao io. Tanjon’ny fitondram-panjakana ny hanohanana hatrany ny tantsaha hampivoarana ny vokatra.

Lalao Quizz School : manampy ireo ray aman-drenin’ny mpianatra

0
Olona 6 no tsara vintana hatreto tamin’ny lalao Quizz School iarahana amin’ny Kolo tv/fm. Ny fisarihana amin’ity lalao ity izay atao isa-maraina ao amin’ny fandaharana So Cool.

TIM : tsy manana fomba fijery mazava

0
Tsy mifanaraka amin’izay nambaran’ireo solombavambahoaka amin’ny antoko TIM mialohan’ny nahazoan’izy ireo andraikitra teo anivon’ny antenimieram-pirenena ny zava-misy sy tanterahan’izy ireo amin’izao fotoana. Raha toa ka nanamafy ireto farany fa hiara-hiasa amin’ny fitondram-panjakana ary tsy ho sakana amin’ny fanatanterahana ireo tetikasam-pampandrosoana napetraky ny Filohan’ny Repoblika tamin’ny fifidianana ny filohan’ny Antenimierampirenena ny volana jolay teo, volana vitsy taorian’izay, mifanohitra amin’izay ny zava-misy ary isany mitarika olona hanohitra ny tetikasa toa ny Tana Masoandro ny solombavambahoaka TIM, izay nolanian’ireo solombavambahoaka ho questeur noho ny fanomezan-toky hiara-fiasa amin’ny ftondram-panjakana.