Archives quotidiennes: 19 octobre 2019

Air Madagascar – Air France : nivoaka ny valim-pitsarana

0
Nivoaka omaly ny valim-pitsarana mikasika ny raharaha fitakian’i Air France 46 tapitrisa dolara amin’i Air Madagascar. Miompana amin’ny fifanarahan’i Air Madagascar sy Air France io valim-pitsarana io, izay manambara fa voatazona hatreto ny Clauses ny Annexe H. Nanambara ny hampiakatra sy hijery ny dingana manaraka araky ny lalàna ny Air Madagascar.

Calendrier Scolaire

0
Taom-pianarana 2019 - 2020 : manomboka ny alatsinainy 28 Oktobra Izay no hafatry ny minisitra tomponandraikitra manoloana ny fanomanana ny fidiran'ny mpianatra ho an'ny sekolim-panjakana. Ndeha harahintsika ato anatin'ity fanadihadiana manaraka ity kosa ny andinindininy mahakasika ny "Calendrier Scolaire" 2019 - 2020.

Factuel Ambohitrimanjaka

0
Raharaha Ambohitrimanjaka : olona 9 no voasambotra. Miisa 9 ireo olona voasambotra vokatry ny fandratrana mpitandron’ny filaminana alina teny Ambohitrimanjaka. Mpitandron’ny filaminana izay nanao ny asany no nodarohina mpikarama an’ady. Araho anatin’ity fanadihadiana ity ny fintin’ny zava-nitranga teny Ambohitrimanjaka alina.

Réaction Ambohitrimanjaka

0
Raharaha Ambohitrimanjaka : tsy vahaolana ny fanakorontanana. Nifanesy ny fanehoan-kevitra androany taorian’ny tranga niseho tany Ambohitrimanjaka alina. Amin’ny ankapobeny, tsy tokony hisy ny savorovoro raha ny hevitry ny maro manoloana ny fahavononan’ny fanjakana hifampiresaka.