Archives quotidiennes: 21 octobre 2019

Mahtp tanamasoandro

0
Namoaka ny zo sy tombontsoa amin’ny alalan’ny tetikasa tanamasoandro ny fiadidian’ny Repoblika, niarahana tamin’ireo andrimpanjakana samihafa. Samy hisitraka tombontsoa, na ny mponina amin’ireo toerana voakasiky ny tetikasa, na ny vahoaka manontolo, ary handray an-tanana ny fanatanterahana izany ireo minisitera tomponandraikitra.

PRM Antsirabe

0
Tafapetraka androany ny vato fototra ho fanorenana ny toby hamatsiana herinaratra tao Tsaratanana ao anatin’ny faritra Vakinakaratra, nametraka izany tany an-toerana ny filohan’ny repoblikan’I Madagasikara sy ireo minisitra tompon’andraikitra. Toby famatsiana herinaratra azo amin’ny herin’ny masoandro no apetraka amin’ity toerana ity.

Tana-Masoandro

0
Manoloana ny feo hahely fa hoe tsy nanara-dalàna ary tsy nampahafantarina ny vahoaka ny resaka Tana-Masoandro, nidina teny amin’ireo distrika ny mpanao gazety androany nijery ireo affichage izay takian’ny lalàna. Voamarina tamin’ny alalan’izany fa nanara-dalàna tanteraka ny dingana nolalovana mikasika ny Tana-Masoandro, na izany ny fampahafantarana ny vahoaka tamin’ny alalan’ireo peta-drindrina mikasika ny fanadihadiana commodo-incommodo na ny didim-panjakana manambara ny maha"utilité publique" ilay asa fanamboarana ka afahafahana miroso amin'ny expropriation.